Tranga

Toamasina : Tovolahikely iray maty natelin’ny ranomasina

Tovolahikely iray tokony ho 11 taona teo ho eo, maty natelin’ny ranomasina tany Toamasina, omaly. Voalaza fa nandeha nilomano lalindalina sy lavitra ireo namany izy ity ka natelin’ny rano tampoka. Niakatra eo ambony arofanin’ny tetezana eo amin’ny hopitalibe ireo andiana tovolahikely maromaro. Avy eo mitsoraka, tonga dia anatin’ny ranomamy manamorona […]

Fernand Cello : Naiditra am-ponja eny Antanimora

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, omaly hariva, i Fernand Cello, mandra-piandry ny fitsarana azy. Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy izy, 24 ora taorian’ny nisamborana azy. Vesatra anenjehana azy ny resaka fisolokiana sy fanelezana vaovao tsy marina, raha ny fanazavana voaray. Nosamborin’ny zandary etsy Anosizato izy, afakomaly alina, raha ny […]

Nandroba 4 tapitrisa Ar : Telo lahy nanafika Cash point nalefa eny Tsiafahy

Naiditra eny Tsiafahy taorian’ny fampanoavana ireo telo lahy voasaringotra tamin’ny fanafihana Cash point teny Ambohibao Antehiroka. Niatrika fampanoavana, omaly, voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjaben’ny Tsiafahy ireo telo lahy tompon’atoka tamin’ny fanafihana Cash point. Ni­trangana fanafihana nataona jiolahy efa-dahy tao Antane­tibe, kaominina Ambohibao Antehiroka, ny zoma 24 janoary teo. Nandrasan’ireo olon-dratsy […]

Arivonimamo : Lavo ireo jiolahy raindahiny roa lahy

Ravan’ny zandary ny jiolahy raindahiny roa lahy, malaza amin’ny fanafihana mi­tam-basy sy fitaovana maranitra ao amin’ny kaominina ambonivohitra Imeritsiatosika, oma­ly. Lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana nandritra ny fifanenjehana sy fifampitifirana teo amin’ny roa tonta izy ireo. Hita nandritra izany koa ireo basy vita gasy sy rongony nampiasain’izy ireo rehefa manafika. Voasambotra […]