Tranga

Tovolahy tsy salama saina: Nolerany antsy inefatra ny anabaviny

Voatsatoka inefatra tamin’ny antsy, tsy tana ny ain’ny vehivavy iray tao Manjakandriana, afakomaly. Nahavanon-doza ny anadahiny. Nentin’ny fokonolona iala­na nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny tovovavy vao erotrerony tao Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nivoa-dra be loatra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy io vehivavy io. Miaraka monina amin’ny reniny […]

Novonoiny ny vadiny: namono tena ilay rangahy fa tsy maty

Tsy fahazakana ny hisaraka noho ny disadisa. Raim-pianakaviana iray indray no namono nahafaty ny vadiny tany Antanambao Manampontsy, omaly maraina. Nananton-tena tamin’ny tady izy, taorian’izay, saingy tsy maty. Efa voasambotry ny zandary ny tenany. Renim-pianakaviana iray, 17 taona, maty notsindromin’ny vadiny tamin’ny antsy, tany amin’ny fokontany Ampasimena, kaominina ambanivohitra Anta­nambao […]

Noheverin’ny olona fa dahalo : Lehilahy naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka

Naratra mafy, niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny lehilahy iray 35 taona, tany Ampasita­paka, kaominina Anjiajia, disitrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Noheverin’ny olona ho dahalo izy ka nifanenjehan’ ny fokonolona novo­noi­na. Vokany, voafira tamin’ny antsy ny lohany, ny tarehiny, ny tanany, ny lamosiny ary ny tratrany. Mponina avy ao Ankazoabo, kaominina Ambesisika, ity niharam-boina ity. Noentin-javatra […]