Tranga

Mpanampy nitaky 4 tapitrisa: Zaza roa taona natao takalonaina

Vokatry ny angom-baovao marim-pototra sy ny fanadihadiana lalina nataon’ny sampandraharaha eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tra-tehaka teny By-pass ny vehivavy iray naka an-keriny zaza vao 2 taona monja, ny 8 jona teo. Nametrahan’ny ray aman-drenin’ny zaza fitokisana amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ilay zaza, nentin’io vehivavy io nandositra ny zaza vao 2 taona sy […]

Tsaralalàna: Avotra ilay zaza nariana tao an-kabone

Avotra soa aman-tsara, taorian’ny firaisankinan’ireo tsara sitrapo ny zaza vao teraka narian-dreniny, tetsy Tsaralalàna, boriborintany voalohany, ny tolakandron’ny talata 10 jona teo. Tsikaritry ny mpandalo ho misy trangan-javatra hafahafa tao anatin’ilay daba fanariana taratasy maloto, tao anatin’ny toeram-pivoahana iombonana iray. Zazakely vao teraka sy mbola nihoson-dra io hita nisy nanary […]

Tsena voatafika tetsy Itaosy: Valo lahy misaron-tava, nandratra olona roa

Naratra voatifitra sy voadaroka ny lehilahy roa teny Itaosy, afakomaly alina. Valo lahy misaron-tava nanafika tsenakely. Voaroba ny vola 1 000 000 Ar sy finday dimy. Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana, ny tsena iray etsy Antsahakely, fokontany Maro­biby, kaominina Ambanivo­hitra Fiombonana, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 12 […]

Nitifitra, nahafaty olona: Zandary iray naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ilay zandary nitifitra olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Beko­bay, distrikan’i Mahajanga II, ny alin’ny zoma 5 jona 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tany Mahajanga. Namoizan’aina, lehilahy 18 taona, sy naharatrana lehilahy roa hafa izany. Naneho fisaorana ny avy eo anivon’ny Fitsarana […]

Nisoloky tamin’ny Cash point: Vehivavy iray nalefa eny Antanimora

Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ilay vehivavy nisoloky vola roa tapitrisa Ariary tamin’ny Cash point iray tetsy Ambohipo, ny herinandro lasa teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana tetsy Anosy. Tra-tehaky ny polisy teo am-pisolokiana vola tamina Cash point iray teny Ambohipo izy ny alarobia 03 jona […]