Mpamerin-keloka avokoa ireo roa lahy namono nahafaty olona tao Toamasina. Voasambotra taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana izy roa lahy nahavanon-doza. Tsy naharitra ela fa ny alarobia 13 marsa no voasambotra tao Antsarakofafa i Abadalh Jhaylan, 21 taona, iray tamin’ ireo jiolahy nahavanon-doza, nanatombok’ antsy namono nahafaty an-dRandriamahefa Tahina, tovolahy […]
Tranga
Voasaringotra tamin’ny vono olona: Zandary nidoboka am-ponja
Manao ranolava ny fampidirana am-ponja zandary tato ho ato. Zandary girady G1C, misahana asa eo anivon’ny faritra Atsinanana, voarohirohy tamina raharaha fanafihana mitam-piadiana nahafatesan’olona sy fanaovana hosoka ary fisolokiana an-tambajotram-pifandraisana, ny 12 marsa teo. Niainga tamin’ny fanadihadiana, renim-pianakaviana 53 taona namoy ny ainy ny 29 oktobra 2024, tao Antanambao faharoa- […]
NAMONO ZANAKA : Vehivavy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Zazavavy 6 taona maty novoin-dreniny tao Ambalasoa, fokontany Antanety, kaominina Antsirabe, afakomaly hariva. Manan-janaka roa io ramatoa io. 6 taona ilay zokiny raha toa ka vao 5 volana ny zandriny. Efa nodimandry ny vadiny ka mitaiza irery ireo zanany ireo io renim-pianakaviana io. “Vao dimy volana an-kibo ilay zaza no […]
Mandrimena : Trano misy rihana roa may nodoran’ny mpangalatra
May kilan’ny afo tanteraka ny trano misy rihana roa tetsy Mandrimena Iavoloha, omaly tamin’ny 11 ora tolakandro. Jiolahy nanafika no tompon’antoka Voalazan’ny tompon-trano fa nisy olona tsy fantatra niditra sy nanapitsoka ny varavarana iray tao an-trano talohan’ny nirehetan’ny afo. Nambaran’izy ireo fa mpangalatra io lehilahy io, noho ny fihetsiny hafahafa […]
Jiolahy nandositra tao amin’ny zandary: iray maty voatifitra, efatra voasambotra
Voasambotry ny mpitandro filaminana, omaly, ireo jiolahy efatra anisan’ireo folo nandositra tao amin’ny efitrano nihazonana azy ireo natao andrimaso, tao Taolagnaro, faritra Anosy. « Jiolahy mpanafika Cash point ny telo. Niara-niasa ny ekipan’ny UIR eto an-toerana sy izahay zandary”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toalagnaro. Tratra ireo telo […]