Nolerana zava-maranitra, norasaina antsy teo amin’ny tendany, ny ankizivavy iray vao 15 taona, tao amin’ny kaominina Fihaonana, afakomaly. Nosamborina ny sakaizany sy ny roa lahy hafa. Niniana novonoina sy nanaovana filan-dratsy ahina ho naolana, hita faty, ny ankizivavy iray 15 taona, tao amin’ny fokontany Andranovelona, kaominina Fihaonana, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Niala […]
Tranga
Mpitrandraka volamena : Olona 11 maty nihotsahan’ny tany
Mpihady volamena miisa 11 niara-namoy ny ainy nianjeran’ny ranontany tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Niherenana, distrikan’i Vatomandry, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nihady lavaka ary tonga teny an-kianja vao maraina be, tokony ho tamin’ny 3 ora maraina tany ho any, ireo olona ireo, raha ny fanazavana voaray. Nihotsaka tampoka anefa ny […]
Nandroba fiara nitondra PPN: Jiolahy dimy voasambotra
Ravan’ny zandarimaria ny fikambanan-jiolahy nandroba fiara nitondra PPN tao amin’ny fokontany Ambohimarina, kaominina Mahavelona-Foulpointe, afakomaly. Kamiao lehibe iray nitondra entana hamidy niharan’ny asa ratsin’ireo jiolahy ireo. «Nihanika avy hatrany tamin’ny vatan’ilay fiara izy ireo ary nanararaotra naka ny entana ny alin’ny alakamisy 28 mey lasa teo», hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny […]
Maty tao amin’ny reniranon’Ikopa : Vehivavy nitambotsotra teo am-panasana lamba
Namoy ny ainy rehefa nitambotsotra tampoka teo am-panasana lamba ny renim-pianakaviana iray 55 taona, omaly maraina, tetsy amin’ny ranon’Ikopa Andohatapenaka. Nianjera izy ka latsaka tao anaty rano ary maty tao. Renim-pianakaviana iray 55 taona, maty an-drano tao amin’ny ranon’Ikopa, tetsy Andohotapenaka, ampitan’ny Gara Maki, omaly tamin’ny 8 ora sy sasany […]
Toamasina : Manao ranolava ny fanafihana mitam-piadiana
Mirongatra ny tsy fandriampahalemana any amin’ny renivohitr’i Betsimisaraka sy ny manodidina, tato anatin’ny volana vitsy, taorian’ny rivondoza Gezani. Anisan’ izany, ny fanafihana mitam-piadiana sy ny fandrobana ary ny asa fanendahana. Trano fandraisam- bahiny iray ao Ambolomadinika, parisela 21/32, indray no norobain’ny jiolahy miisa 10 ny alin’ ny alahady hifoha alatsinainy […]




