Maty lavon’ny zandary, ny faran’ny herinandro teo, ny dahalo raindahiny antsoina hoe Desta be. Dahalo efa namoahan’ny polisin’i Behenjy fikarohana, nanomboka ny volana marsa lasa teo izy ity. Nanatanteraka fampandrian-tany tao amin’ny faritra iadidiany ny zandary tao Ambatolampy. Voasambotra nandritra izany ity jiolahy raindahiny ity. “Tamin’ny alalan’ny traikefa matihanina no […]
Tranga
Fitsongoan-dia: Dahalo 28 maty, 156 voasambotra
Nahatratra 156 ireo dahalo voasambotrin’ny zandarimarian’Imerina centrale tamin’ny resaka fakana an-keriny hatramin’ny niandohan’ny taona. Miisa 28 kosa ireo lavo taorian’ny fifandonana. N ahatratra 156 isa ireo dahalo voasambotrin’ ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Imerina centrale hatramin’ny niandohan’ny taona. Voasaringotra tamin’ny resaka fakana an-keriny avokoa ireo dahalo tra-tehaka ireo. Miisa […]
Ambatondrazaka : raim-pianakaviana nitambotsotra tampoka
Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray nitsirara tampoka tao Tanambao Ambatondrazaka, afakomaly. Nisy nahita nitambotsotra tampoka teo amin’ny lalana manamorona an’i Tanambao ity lehilahy ity, ny alatsinainy lasa teo. Tsy fantatra mazava izay nahazo azy. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny toeram-pitsaboana, araka izany, ireo olona manodidina. Nanao izay ho afany […]
Raharaha Andohan’Ilakaka : nirohotra teny amin’ny tobin’ny zandary ny mponina
Raikitra ny savorovoro tao Andohan’Ilakaka, taorian’ilay vono olona nahatsiravina natao an’ilay renim-pianakaviana, ny alarobia teo. Omaly, nirohotra nihazo ny tobin’ny zandary ao an-toerana ny fokonolona nitaky ny hamoahana ilay lehilahy voalaza ho namono azy. Niely tao an-toerana mantsy fa voasambotry ny zandary ilay rangahy, antony nahatonga ny fokonolona saika hanao […]
Niala olona niampita tampoka: kamiao nitondra letisia nivadika tany an-kady
Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tao Anjiro Vavatenina, teny amin’ny lalam-pirenena faha-22, omaly vao maraina. Hitondra letisia haondrana, nikasa hihazo an’i Toamasina ity kamiao tra-doza ity. Niakatra fiakarana, nivadika tampoka tany anatin’ny kirihitra ity kamiao ity. Araka ny nambaran’ny mpamily, niala olona niampita arabe tampoka izy ka tsy voatana intsony ny familiana […]