Tranga

Sambaina : Tovolahy hita faty tao anaty rano

Hita afakomaly maraina tamin’ny 11 ora atoandro, tao anaty rano ny vata-mangatsiakan’ny tovolahy 17 taona, antsoina hoe: Sasah. Maty nalentiky ny rano tany Andranobevava Nanganehana Sambaina, distrikan’i Manjakandriana izy io, ny talata lasa teo. Nilomano tao amin’io rano io izy ny talata tamin’ny 2 ora tolakandro. Tsy nipoitra intsony anefa […]

Fandrobana tetsy Amboditsiry : Namidin’ilay mpiambin-tanàna 5 tapitrisa Ar ny basy

Olona telo nosamborin’ny polisim-pirenena noho ny halatra niaro famarotana fitaovam-piadiana mahery vaika, teny 67 Ha, afakomaly. Namidin’ilay mpangalatra 5 tapitrisa Ar ny basy. Tra-tehaky ny polisim-pire­nana eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava teny 67 Ha ny lehilahy iray nangalatra fitaovam-piadian’ny mpampiasa azy, afakomaly. Nitrangana ha­latra tao amin’ny tranon’olon-tsotra iray teny Am­bo­ditsiry, […]

Ekar Md Jérôme Anosibe: Tsipahin’ny mpino ny fibodoana ny tanim-piangonana

Niverina nihenjan-droa ny tady eo amin’ireo mpino katolika etsy amin’ny fiangonana Md Jérôme Anosibe sy ny olon-tsotra mibodo ny tany. Ni­verina niakatra fitsarana afakomaly indray ny raharaha, telo taona taorian’ny nivoahan’ny didim-pitsarana, ny taona 2021. Resy ilay olon-tsotra. Ni­­gadona teny an-toerana na­natanteraka ny didy navoakan’ny fitsarana ny vadintany sy ny […]

Notetezin’ny lamasinina : Tapaka ny tongotr’ ilay vehivavy

Nifamonjen’ny nanatri-maso, vehivavy iray naratra mafy voahosin’ny lamasinina teny amin’ny lalamby Androndrakely, omaly maraina. Tsy manam-ponenana matotra, mivezivezy eny amin’ny manodidina io ramatoa io, araka ny loharanom-baovao. Nitsirara teo amin’ny toerana manakaiky ny lalamby izy. Nisotro toaka io vehivavy io. Tavela teo aminy ny tavoahangy nisotroany. Nandalo tampoka anefa ny […]

Anosibe : Jiolahy mitam-piadiana iray lavon’ny balan’ny Sag

Jiolahy mitam-piadiana iray lavon’ny balan’ny Sag nandritra ny fifanjevoana teo amin’ny polisy sy ireo olon-dratsy miisa efatra tetsy Anosibe. Tratra niaraka taminy ny basy kilalao iray sy bala miisa efatra. Raha toa ka tafatsoaka ireo namany telo hafa. Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, afakomaly alina. Nifanehitra tamin’ny polisy ny andian-jiolahy […]