Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Ampanihy, distrika Mahabo, omaly. Nanafika tao an-toerana ny andian-dahalo 30 isa nirongo basy, tokony ho tamin’ny 01 ora sy sasany maraina. Voaroba ny omby 40 isa-n’ireo tompon-tanàna. Tsy vitan’izay fa mbola nitondra takalon’aina miisa telo noentiny nandositra ihany koa ireo malaso. Saingy […]
Tranga
Nifanenjehana tany anaty elakelan-trano : jiolahy roa tratran’ny fitsaram-bahoaka
Leo amin’ny afitsoky ny asan-jiolahy ny mponina ! Jiolahy roa tratran’ny fitsaram-bahoaka rehefa nifanenjehana hatrany anaty elakelan-trano, omaly. Nifanampy tamin’ny fisamborana azy ireo ny polisy avy ao amin’ny poste de police Avancé Antaniavo. Tratra niaraka tamin’izy ireo ny fitaovam-piadiana fampiasan’izy ireo rehefa manendaka. Malaza ratsy amin’ny fisiana asa fanendahana eny […]
Rennes- France: vehivavy teratany malagasy iray tsy hita popoka
Tsy mbola niverina teo anivon’ny fianakaviany Rabesandratana Laura. Vehivavy teratany malagasy, 31 taona mipetraka ao Frantsa. Tsy hita nanomboka ny 12 janoary teo izy. Toerana nahitana azy farany teny amin’ny manodidina an’i Rennes, tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Hatramin’izao, tsy nahazoana vaovao intsony ity vehivavy ity. Tamin’io fotoana io, […]
Ambohimahasoa : trano nifatraran’ny kamiao tapaka hisatra
Tapaka hisatra, nifatratra tamina trano iray amoron’arabe ny kamiao lehibe iray tao Antalata, distrikan’ Ambohimahasoa, ny 15 janoary misasakalina. Avy any Ihosy, nikasa hihazo an’Antananarivo ity kamiao ity. Talohan’ny nialan’ny fiara tany an-toerana, nanamafy ny polisy ao Ambohimahasoa fa tontosa ara-dalàna ny fitsirihana fiara ary tsy nisy olana. Vao velona […]
Nanao amboletra: zaza 12 taona nalain’ ny jiolahy an-keriny
Nirongo basy, niditra an-keriny tao amina tokantrano tao Ambodirano distrikan’ Amparafaravola ny alin’ny 14 janoary misasakalina. Niala ny hidim-baravarana, noraofin’ireto jiolahy ireto ny finday. Norongoin’izy ireo nanaraka azy ny zanaky ny tompon-trano. Vokany, nataon’ireo olon-dratsy takalon’aina io zaza io. Tetsy ankilany, tafaporitsaka nivoaka ny trano ireo ray aman-drenin’io zaza io. […]