Tranga

Ady lova sy vono olona: Vehivavy nolerana antsy sy nozerana fanoto

Vokatry ny fitiavan-karena, nanaraman’ny anadahiny mpamono olona ny vehivavy iray. Nolerana antsy sy novelesina tamin’ny fanoto izy. 2 000 000 Ar no karaman’ny olon-dratsy. Renim-pianakaviana iray maty tsy tra-drano novonoin’ny anadahiny iray tampo aminy tao amin’ny fokontany Bemasoandro, ko­minina ambonivohitr’ i Vatomandry, ny 4 febroary teo. Hita faty tao an-tokantranony […]

Ambohijanaka: jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Matin’ny daroka nataon’ny fokonolona nahasambotra azy ny jiolahy iray tratra teny Tsilazaina, kaominina Ambo­hijanaka, ny alin’ny zoma 23 febroary teo. Nanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’io fokontany io ny jiolahy miisa dimy. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo. Nifarimbona sy nifanome tanana ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana nanakana ny asa […]

Mitentina 19 296 000 000 Ar : Cocaïne 64,32 kg tratran’ny Polisy

Nahatrarana rongony mahery vaika “cocaïne” milanja 64,32 kg ireo telo lahy voasambotry ny polisy tao Androranga Toamasina, ny 19 febroary teo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy olona mikasa hanaparitaka io kazaran-java-mahadomelina mahery vaika io tao an-toerana. Nidina ifotony nanao ny fisavana izy ireo. Tratra tao amin’ny toerana fametrahana entana […]

Nandroba basy sy grenady: 49 mianadahy naiditra am-ponja

56 mianadahy ny voasaringotra tamin’ny fandorana ny borigadin’Ankazomiriotra. Naiditra vonjimaika any am-ponja, afakomaly, ny 49 mianadahy. Efa nisy basy iray tafaverina. Nitotaly 56 ny olona voasambotra sy nanaovana famotorana momba ny fandorana ny tobin’ny borigadin’ny zandary ao Ankazo­miriotra, distrikan’i Mandoto. Niakatra fampanoavana izy ireo, afakomaly. Vokany, notanana vonjimaika ao amin’ny […]

Ambohimanarina : mpamaky trano roa lahy tra-tehaka

Voasambotry ny polisy ny mpamaky trano roa lahy tao Antanety avaratra Ambohimanarina, omaly. Nitsofoka mangingina tao amina tokantrano iray anatin’io fokontany io izy roa lahy. Tsikaritry ny vaomieran’ny fandriampahalemana izy mirahalahy ireo tamin’ny 2 ora maraina . Niantso mpitandro filaminana avy hatrany ilay nanatri-maso. Tratra teo am-pikonon­kononana handroba ilay tokantrano […]