Ny lefiny no ahina ho atidoha nikotrika ny famonoana ilay ben’ny Tanàna. Olona 32 naiditra am-ponja vonjimaika. 20 lahy nalefa eny Tsiafahy, 12 ao Ankazobe ka vehivavy ny sivy. Mpamosavy malemy ! Ny lefitr’ilay ben’ny Tanàna tao Andranomiely, Ankazobe ihany no ahina ho atidoha nikotrika ny famonoana azy, ny alin’ny 7 […]
Tranga
Telo lahy tratra: 10 000Ar ny tangozana katy eny 67 ha Avaratra
Naiditra am-ponja vonjimaika rehefa avy natolotra ny fampanoavana afakomaly, ireo telo lahy voarohirohy ho nanao trafikana zava-mahadomelina katy. Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina Anosy (Stup) teny 67 ha Avaratra, ny 5 febroary 2024 teo, izy telo lahy voarohirohy ireo noho ny fivarotana katy. Maro […]
Halatra omby: dahalo iray lavon’ny bala
Namoy ny ainy voatifitry ny Tafika nanara-dia ny iray tamin’ireo dahalo 15 nanafika tao amin’ny tanànan’i Berano-ville, distrikan’Amboasary Atsimo, faritra Anosy, afakomaly. Nalain’ireo dahalo nitam-piadiana an-keriny ny omby 37 tao amin’io tanàna io. Niray hina ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Naharay fampandrenesana […]
67 Ha : Jiolahy raindahiny maty voatifitra
Maty voatifitra ny jiolahy iray, mpanendaka sy mpampihorohoro eny 67 Ha sy ny manodidina. Tafaporitsaka ka ifampitadiavana ny namany. Nirefotra ny basy ! Lavon’ ny balan’ny polisy avy ao amin’ny CSP7 ny jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo herisetra eny amin’ny Ravitoto-Baobab ao 67 Ha, omaly vao mangiran-dratsy. Naharay loharanom-baovao marim-pototra […]
Tsy fandriampahalemana : feno polisy ny sisin’ arabe ao Toamasina
Tsy andro tsy alina fa saika manemitra ny lalana rehetra hatreny amin’ny lalam-pasika sy elakela-trano manerana ny fokontany maro eto an-drenivohitr’ i Toamasina ny polisy. Ho fanatrarana ny hetsika 100 andron’ny fandriampahalemana ny anton’izany, izay tarihan’ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Araka ny baikon’ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny kaomisera Rakotovao Jean […]




