Tranga

Vaky fasana: razana iray sisa navelan’ny olon-dratsy

Mirongatra indray ny vaky fasana, tato ho ato, raha somary efa nangingina izany teo aloha. Lasan’ny jiolahy ny razana rehetra tao am-pasana, tamina fasan-drazana iray eny Ambohidava Ambato­lampy Tsimahafotsy, afakomaly. Novakin’ireo olon-dratsy ny fasana ka notetezin’ireo ny razana tao am-pasana. Lasan’ireo mpangalatra avokoa ny taolambalo rehetra. Tsy vitan’izay fa naparitak’izy […]

Tsy nety nandray ny rainy: zazakely marary narian- dreniny tao amin’ny hopitaly

Mampivarahontsana ! Izay no azo ilazana ny zava-niseho tao amin’ny Hopitalibe Toamasina, omaly. Zazakely menavava antsoina hoe Tafitasoa Angelico, vao iray volana monja no narian-dreniny (avy any Ambositra) tao amin’ny efitra fidiovana. Raha ny fampitam-baovao, tsy salama io zazakely io ka nentina tao amin’ny dokotera misahana manokana ny fitsaboana zazakely […]

Ambohimanarina : lehilahy maty voadonan’ny kamiao

Mitohy ny fanadihadiana ny mpamilin’ilay kamiaobe nandona olona ka nitarika fahafatesana lehilahy iray teny Ambohimanarina, afakomaly. Lehilahy iray 24 taona no nofaohin’ny kamiaobe teo Ambohimanarina, tamin’io fotoana io. Naratra noho ny dona mafy nahazo azy ity lehilahy ity ka nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana eny Anosivavaka. Nafindra tao amin’ny hopitaly HJRA […]