Lehilahy iray hita faty nananton-tena tamin’ny tady tao amin’ny fokontany Betsiraha, kaominina ambanivohitra Lopary, distrikan’i Vangaindrano, afakomaly. Nentin’ny hamamoana; nifamaly tamin’ny rainy izy ka nodorany ny trano. Nifampitadiavan’ny fianakaviany io lehilahy io saingy tsy hita raha tsy tamin’ny 11 ora alina. Nihantona tamin’ny tady teo ambony hazo tao Antranombazaha izy. […]
Tranga
Marovoay : dahalo roa lahy maty voatifitra
Nanaovan’ny fokonolona sy ny zandary hazalambo, lavo ny dahalo roa lahy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana, tao amin’ny kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay, ny 9 febroary teo. Nikononkonona hanafika toy ny fanaony indray ireo dahalo ireo. Naharay loharanom-baovao marim-pototra ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ka namolavola paikady. Nigadona tao amin’ny tanànan’i […]
Famoizam-po : vehivavy maty nananton-tena
Marary hitsabo tena hita faty nihantona tamin’ny tady tao Ambalamanasy Carreau I, Toamasina, omaly atoandro. Nijanona irery tao an-trano io vehivavy io vokatry ny aretina an-doha mahazo azy matetika. Mponina avy any Sandrakatsy, Mananara Avaratra izy mianaka ireo. Nentin’ny reniny tao Toamasina izy hitsabo tena. Nigadona tao amin’ny renivohitr’Atsinanana ireto […]
Fifamaliana namoa-doza: nifamono, niara-maty izy mivady
Niafara tamin’ny ra mandriaka ny fifamalian’ny mpivady tao Vangaindrano, afakomaly. Niara-maty ilay rangahy sy ramatoa vadiny. Renim-pianakaviana iray 27 taona sy rangahy vadiny 50 taona niara-maty tao an-trano fonenany, tao amin’ny fokontany Vohimena, distrikan’i Vangaindrano, ny sabotsy 10 febroary teo. Nisy olana nitarika ny tsy fifankahazoana teo amin’izy mivady, tamin’ny […]
Toliara : tratra ireo efa-dahy mpangalatra voamaso
Efatra mirahalahy mpangalatra voamaso, ao amin’ny fokontany Antaravay salimo, kaominina ambanivohitr’i Toliara, voasambotry ny zandary, omaly. Renim-pianakaviana manodidina ny 30 taona hita faty tsy nisy voamaso intsony tao amin’io fokontany io, ny 1 febroary teo. Notsatotsatohan’ireo tsivahalara antsy io ramatoa io. Nokendain’ireo olon-dratsy izy ary nalana teo aminy ny voamaso […]




