Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina, afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy […]
Tranga
Mirongatra ny famonoan-tena : raim-pianakaviana telo indray maty tao Toamasina
Tratran’ny famoizam-po tampoka tao anatina trangam-piainana samihafa ireo raim-pianakaviana telo namono tena tao Toamasina, ny talata teo. Trosa tsy voaloa amin’ny banky sy fisaraham-bady no tena anton’izany… Tsy ny tovovavy ihany! Tao anatin’ny herinandro, raim-pianakaviana telo indray namono tena tao Toamasina. Ho an’ny tranga voalohany, raim-pianakaviana 31 taona monina ao […]
Vokatry ny rotsakorana : trano roa nirodana tao Mandrosoa Ivato
Tsy nitsahatra ny rotsakorana tato anatin’ny herinandro izay. Nitarika fahavoazana maro teo amin’ny fotodrafitrasa sy ny mponina izany, indrindra ireo manamorona ny renirano. Vokany, trano roa nirodana tao amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly hariva. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny zava-misy. nandritra izany, nafindra toerana avy hatrany ao […]
Nampangain’ny akanjony: tratra ny andian-jiolahy nanolana ankizy
Niaiky ny helony ireo jiolahy! Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’ Arivonimamo rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo 13 lahy tompon’antoka tamina fanafihana narahina fanolanana tao Arivonimamo, ny faran’ ny volana janoary lasa teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana mahery vaika tao an-tanànan’i Tsaontsaona, fokontany Ambohitrandraina, kaominina Ambohimandry, distrikan’Arivonimamo, tamin’ io fotoana […]
Notorian’ny fibaikoana : Kolonely roa nahazo sazy roa taona
Nomelohin’ny fitsarana sazy mihantona 2 taona an-tranomaizina ireo kolonely roa eo anivon’ny Foloalindahy voarohirohy tamina raharaha fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena mialoha ny fotoana nanatanterahana fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nivoaka omaly ny didim-pitsarana manenjika ireto manamboninahitra ambony ireto. Ny 16 janoary 2024 teo no notsaraina teo anivon’ny fitsarana ady heloka bevava ny […]




