Lavon’ny polisy, omaly, tetsy Antohomadinika IVO, ny mpanendaka raindahiny. Nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana teny amin’ny manodidina izy sy ny namany. Nampiasa antsy lavalela izy io, saika hamely ny polisy. Vokany, maty voatifitra izy. Jiolahy iray lavon’ny balan’ ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR omaly tamin’ ny 1 ora maraina, […]
Tranga
Niala hatramin’ny sofiny : Renim-pianakaviana naratra mafy naolana tovolahy iray
Habibiana !… Izay no azo ilazana ity fanolanana sy herisetra niseho tamina renim-pianakaviana iray tao Ambodielana tsy lavitry ny Sarilenta, ny alahady 18 mey hariva lasa teo. Handeha hanatitra vatsin’ny zanany hanao fanadinana CEPE andrana tao amin’ny fokontany Ambodimanga, kominina ambanivohitra Ambodilazana, ilay ramatoa no nifanehatra tamin’ ity tovolahy 20 taona […]
Nihotsahan’ny trano : Mpanao trano roa lahy namoy ny ainy
Mpanamboatra trano roa lahy niara-maty tao Tambohobe, kaominina Fianarantsoa, omaly. Mpiasa aman-jatony no mandray anjara amin’ny fanamboarana trano lehibe iray ao amin’io toerana io. Tsy nanampo na inona na inona ireo vatan-dehilahy ireo fa nanao ny asa fanaony andavanandro. Niharan-doza tampoka izy ireo. Nihotsaka ny ampahany tamin’ny trano namboarina. Olona […]
Anosizato Atsinanana I : Zaza menavava narian-dreniny
Narian-dreniny niaraka tamin’ny taratasy ny zaza menavava iray teny Anosizato Atsinanana I, omaly tolakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zazakely nifonofono tao anaty lamba. Nosorotan’ny renin’ny zaza tao anatin’ny taratasy fa sahirana izy. Tsy ho sambatra mihitsy ny zanany raha toa ka hiaraka hatory an-dalana aminy. Nangataka amin’ny olona mba […]
Ambamaro : Noleran’ilay vehivavy antsy ny sakaizany
Trobaka tao ambany heliny ny tovolahy vao 18 taona teny Ambatomaro, boriborintany fahadimy, ny alin’ny alarobia 21 mey teo. Nifamaly tamin’ny sakazainy io tovolahy io. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny tsy fitovian-kavitra teo amin’ny roa tonta. Tsy nahatsindry fo ilay vehivavy 22 taona. Naka zava-maranitra ka nanindrona izany tamin’ilay sakaizany. Nanaitra […]