Tranga

Fahapoizinana ara-tsakafo faobe: mpiasa am-polony naiditra hopitaly

Mpiasa am-polony amina orinasa iray etsy Ivandry tratran’­ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe, omaly. Naiditra ao amin’ny HJRA Ampefiloha ny 46. 39 ireo ao amin’ny CHU Andohatapenaka. Misy ireo nentina any amin’ny hopitaly tsy miankina, eny amin’ny Homi ary eny Anosiala Ambohi­dra­trimo. Misy ny fanina, marary kibo, malemy, mandoa sy mivalana, anisan’ireo […]

Telo andro tsy hita popoka: lehilahy iray matin’ny toaka, hita faty tao an-tranony

Lehilahy iray noheverin’ny mpiara-monina fa tsy hita no maty irery tao an-tranony, tetsy Alasora. Nanaitra ny mponina manodidina ny fofona hafahafa niely, afakomaly. Voamarin’ny dokotera fa matin’ny toaka izy, efa telo andro lasa izay. Hita faty tao an-tranony, afakomaly, tokony ho tamin’ny 2 ora atoandro, tetsy Tsararivotra, fokontany sy kaominina […]

Vono olona teny Anosizato Enin-dahy naiditra eny Tsiafahy

Tsy afa-bela ireo olona enina mirahalahy voatondro ho tompon’antoka tamin’ny vono olona teny Anosizato Andrefana. Niakatra fampanoavana omaly, notanana any Tsiafahy avokoa ireo enin-dahy tompon’antoka tamin’ny famonoana an’ilay mpiangaly gadon-kira mavesatra sady mpilalao sarimihetsika mala­gasy. Nitrangana vono olona mahatsiravina teny amin’ny fokontany Anosizato Andre­fana, ny alin’ny 1 oktobra lasa teo. […]

Namono mpamily taxi: olona enina notanan’ny polisy eny Alasora

Niaiky heloka ho nandray anjara tamin’ny famonoana ilay lehilahy mpamily taxi, hita faty teny Alasora, ny olona miisa enina notanan’ny polisim-pirenena, afakomaly. Nandray anjara mivantana sy ankolaka tamin’io tranga io avokoa izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny polisy. Ni­trangana vono olona mahatsiravina teny amin’ny kaominina Alasora, ny 6 desambra […]