Tranga

Fitiavan-karena diso toerana: karana nofatorana sy novonoin’ny mpanampiny tao an-tranony

Novonoin’ny mpanampy an-trano sy ny vadiny ilay karana mpampiasa azy tao Mahajanga Be. Nofatorana sady nosemporina ilay ramatoa 70 taona ka namoy ny ainy. Naniry ny harenan’ny hafa sy natosiky ny fitiavan-karena tafahoatra, tompon’antoka ta­min’ny famonoana ilay vehivavy teratany karana ireo efatra mianadahy voasambotry ny polisy tao Mahajanga Be, omaly. […]

Fanazaran-tena ana habakabaka – Tafika frantsay: Nizara traikefa tamin’ny Tafika Malagasy

Nitsidika ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Mamitiana Ely, teny amin’ny toeram-piasany, Ampahibe, omaly, ny minisitra misahana ny Tafika frantsay, Catherine Vautrin. Nanome voninahitra ny fandraisana azy ny lehiben’ireo Etama­zaoron’ireo Tafika, ny Jly Pikulas Démonsthène. Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’­ ny Tafika roa tonta teny amin’ ny […]

Trafikan-drongony : Maorisianina telo migadra 15 taona

Voaheloka hisazy 15 taona an-tranomaizina ireo Mao­risianina telo lahy voasaringotra tamin’ny fanondranana zava-mahadomelina Cocaïne, ny 1 oktobra lasa teo. Tao­rian’ny raharaham-pitsarana azy ireo, mitovy avokoa ny sazy azon’ireto teratany vahiny ireto. Tambajotra matanjaka ity ravan’ny mpitandro filaminana ity noho izy ireo izay efa manana tendrom-pifandraisana manokana avy amin’ny faritra telo […]

Fianakaviana voatafika tany ampasika: Tavovavy rao voaolana, olon-dehibe telo naratra

Nanafika tokantrano iray tany Ampasika Alakamisy ny olon-dratsy miisa telo, ny alin’ny alatsinainy teo. Noratrain’izy ireo ny olon-dehibe miisa telo tao an-trano. Naolan’ireo jiolahy ny tovovavy roa zanaky ny tompontrano. Taorian’ny fikarohana nataon’ny zandary, voasambotra ny olon-dratsy roa. Notafihin’ny andian-jio­lahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray tany Ampasika, fokontany Ambohibary, kaominina […]

Nikasa hamaky trano: jiolahy iray voasambotra, nahitana basy kilalao

Lehilahy iray, 29 taona, voasambotry ny zandary teny Talata Volonondry, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady 04 oktobra 2026, tamin’ny misasakalina, lasa teo. Nikasa hamaky trano iray teny an-toerana izy saingy voasambotra. Nahitana basy poleta, plastika, kilalao miloko mainty teny aminy. Niampy ireo fitaovana famakiana trano hafa izany, toy ny maritoa, […]