Noleran’ny olon-dratsy antsy teo akaikin’ny faritry ny fo, namoy ny ainy, ny raim-pianakaviana iray 34 taona tao Betafo, afakomaly. Nitety tsena ary nikasa hitodi-doha hamonjy fodiana, nobahanan’ny olon-tsy fantatra tampoka ny moto nentin’ilay lehilahy, ny alin’ny alarobia 19 hifoha ny alakamisy 20 aogositra teo. Nitondra vehivavy iray tamin’ny moto izy, […]
Tranga
Gadra efatra nandositra : Mpiandry fonja roa lahy naratra
Noratrain’ireo gadra miisa efatra tamin’ny alalan’ny zava-maranitra, ka voatery nentina hopitaly ny mpiandry fonja roa lahy tao Andaloasy, kaominina Soajaovato, distrikan’i Diego II, afakomaly. Nikasa haka ny fitaovam-piadiana teny amin’ny mpiandry fonja ireo efa-dahy saingy tsy nahomby ny teti-dratsin’izy ireo. Nanao izay ho afany nanoherana ny mpiambina izy efatra mirahalahy. […]
Taksiborosy tra-doza : Mpandeha iray namoy ny ainy, enina naratra
Nandeha mafy, nifatratra tamin’ny sisin-dalana ny taksiborosy iray mampitohy an’Antananarivo sy Ambatondrazaka, teny amin’ny RN44, omaly. Tsy tana ny ain’ny mpandeha iray. Nivoaka ny arabe, namoizana ain’olona iray ny lozam-pifamoivoizana tao Ambohidray, kaominina Morarano Gare, distrikan’i Moramanga, lalam-pirenena faha-44, omaly maraina. Taksiborosy miloko mena mampitohy an’Ambatondrazaka sy Antananarivo niharan-doza. «Niala […]
Tezitra ny mponin’i Toamasina : Mpandraharaha iray karohina
Taorin’ny fivorian’ny solontenan’ny fokonolona ao Toamasina, nivoaka ny didy fampisamborana ho an’ny mpandraharaha momba ny vy iray, omaly. Niainga tamin’ny horonantsary niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera, niakatra ny hatezeran’ny mponina ao Toamasina. Niroso tamin’ny fivoriana ny ankolafim-pikambanana ao an-toerana, tao amin’ny Antenimieran’ny varotra, Boulevard Jouffres, omaly maraina. Voalaza ho naniratsira tamin’ny teny […]
Voatifitry ny tompon-trano : Taraiky teo ambony tafo, niantso vonjy ilay jiolahy
Natahotra ny ainy, niantso vonjy tamin’ny manodidina ny jiolahy iray voatifitry ny tompon-trano tetsy Ampitatafika, omaly maraina. Voan’ny bala izy ka taraiky teo ambony tafo Nananika tafon-trano sy nikiry hiditra teo amin’ ny varavarankely, notifirin’ny tompontrano tampoka tamin’ny fitaovam-piadiana ka naratra ny jiolahy iray, tetsy Ampitatafika, omaly maraina tamin’ny 3 […]




