Tranga

Voalaza fa olon-dratsy: Mpiasana tetikasa matin’ ny fitsaram-bahoaka

Roa lahy izay mpampianatra sy miasa amina tetikasa nosamborin’ny fokonolona tao amin’ny fokontany Amba­to­faritana, kaominin’i Manampatrana, distrikan’Ikongo, omaly. Nisavorovoro ny mponina tao an-toerana fa nahin’izy ireo ho dahalo izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana azy roa lahy voatondro molotra ho olon-dratsy ireo. Nentin’ny tahotra, niezaka nandositra ireo voalaza ka tratra. […]

Farafangana: Ankizivavy 9 taona naolana mpitandro filaminana

Niova fandeha, voamarin’ny mpitsabo eo anivon’ny CHRR Farafangana fa niharan’ny fanolanana ny ankizivavy 9 taona, tao amin’ny kaominina Evato, distrikan’i Farafangana, ny alakamisy 16 janoary teo, tamin’ny 9 ora alina. Nanatona ny ray aman-drenin’ny zaza ilay mpitandro filaminana fa mi­tady mpanampy hikarakara ao an-tokantranony. Mody nanadihady ny renin’ilay ankizivavy io […]

« Café – Histoire »: hampahafantarina ny Zafindraony

Hetsika voalohany hotanterahina ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny «Café – Histoire» ny fampahafantarana ny Zafindraony. Hitondra ny velakevitra, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, eny amin’ny Musée de la photo Madagascar, etsy Anjohy, i François Noiret, mpampianatra mpikaroka momba ny «anthropologie». Lohahevitra hoentiny amin’izany ny «Zafindraony any amin’ny faritry Betsileo, hira ho […]

Variana nilalao: ankizilahy iray maty nianjeran’ny parpaing

Maty tsy tra-drano nianjeran’ny parpaing ny ankizilahy iray nilalao teo an-tokotany tao amin’ny fokontany Dépôt fahefatra parisela 21/34, ny alakamisy maraina teo. Nila­tsaka tampoka ny parpaing nipetraka tao ambony tafon-trano hiarovana fanitso amin’ny rivodoza. Vokany, maty tsy tra-drano ilay ankizilahy 11 taona niharam-boina. Renim-pianakaviana sahirana mamelon-janaka irery satria vao iray […]