Nidina ifotony nifampiresaka tamin’ny fokonolona voalaza fa mibodo ny tanin’ny Spat ao Toamasina, ao amin’ny “Port sec III” Antsarakofafa, ny OMC ( Organisation mixte de conception) izay nifandrombonan’ny Tafika sy ny polisy ary ny zandary, ny talata 27 mey 2026 teo. Tany voatokana hanaovana tetikasam-panjakana hiantsonan’ny fiarabe mpitatitra entana, manodidina […]
Tranga
Tsy nohenoin’ny reniny : Tovolahy iray maty namono tena
Tovolahy iray 22 taona hita faty tao an-trano fonenany, tetsy amin’ny fokontany Nanisana, omaly maraina. Tsikaritry ny reniny sy ny fianakaviany fa nihidy aman-trano tao ity tovolahy ity. Tsy mbola nivoha ny varavarana na dia efa maraina aza ny andro. Nanapa-kevitra ny hamoha sy hanapitsoka ny varavarankelin’ilay trano ny havany. […]
Tsena Petite Vitesse : Nandoro kodiarana, nitokona ireo mpivarotra
Niditra an-tsehatra nandrava ny fitokonan’ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny Petite Vitesse ny mpitandro filaminana sy ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina, tetsy Soarano, omaly. Naparitaka tamin’ny alalan’ny rano ireo mpivarotra nitokona teny Soarano, boriborintany voalohany, omaly. Naneho ny tsy fankasitrahany manoloana ny famindrana toerana azy ireo, nilanja sorabaventy, nitsoka kiririoka sady […]
Nikomy hanao fanafihana: Jiolahy efatra lavon’ ny polisy
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Toamasina, omaly maraina tamin’ny 4 ora. Naharay loharanom-baovao marim-pototra, nandritra ny fisafoana nataony, ny polisim-pirenena fa misy andian-jiolahy mikononkonona hanafika. Niatrana avy hatrany tamin’ny toerana voatondro, nifanehatra tamin’ireo tsy valahara, ny mpitandro filaminana. Namoaka fitaovam-piadiana anefa ireo jiolahy efatra ary nanohitra ny […]
Moto nidona tamin’ny sisin-dalana : Lehilahy iray maty, iray hafa torana
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray teny Andraharo, afakomaly alina, tamin’ny 11 ora sy 50 minitra. Niseho teo amin’ny lalana Dr Raseta ny loza. Moto scooter marika Kymco Many izay notaingenana lehilahy roa no niharan-doza. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, nandeha mafy izy ireo saingy tsy nahafehy ny familiana […]




