Tranga

Olona Nitokona teny Tsarasaotra : Nitorajofo ny baomba mandatsa-dranomaso

Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly, nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo andian’olona nanakan-dalana… Raikitra indray ny fanakanan-dalana tamin’ny alalan’ny fandorana kodiarana nataon’ireo andian’olona marobe teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra mankany Ivato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 8 ora sy 30 mn. Anton’izany, tohin’ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny an-toerana, ny […]

Ambalakisoa Toamasina: Jiolahy telo maty voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra indray ny basy tao amin’ny fokontany Ambalakisoa, Toamasina, omaly alina. Nahatsikaritra zatovo maromaro, miisa enina, mirongo fitaovam-piadiana ny fokonolona any an-toerana. Nampandrenesina avy hatrany ny polisy sy ny zandary taorian’izay. Nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanaraha-maso ireto farany vantany vao nahazo antso. Tratra ireo jiolahy ary raikitra […]

Olana tsy mazava : Lehilahy iray maty nananton-tena tamin’ny taribia

Lehilahy iray 24 taona, maty nananton-tena tamin’ny taribia tao anaty tranon’ako­hon’ny mpampiasa azy, tetsy Ambohidray, fokontany An­dranovelona, kaominina Am­banivohitra Fihaonana, dis­tri­kan’Ankazobe, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy 20 minitra. Faty nihantona teo afovoan-trano no hitan’ny mpiasa sy ny mpampiasa azy rehefa novahana maraina ny trano. Nam­pandre ny Zandarimaria avy ao […]

Naratra mafy teo amin’ny lohany: Lehilahy hita faty tetsy Andohatapenaka

Lehilahy iray 29 taona, efa tsy nisy aina intsony, hitan’ny mpanokatra paompy hiasa maraina, tetsy Andohatapena­ka I, afakomaly. Nitsirara tamin’ny tany, tao anaty haizina, lehilahy nanaovan’ny anabaviny ombay mitady tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy teny anivon’ny manam-pahefana io namoy ny ainy io. Niala ny trano fonenany ny marain’ny alatsinainy 13 jolay […]