Tranga

Kaominina Marondry : Ben’ny Tanàna lefitra hita faty

Hita faty tao anaty rano ny lehilahy iray lefitry ny ben’ny Tanàna, tao amin’ny kaominina Marondry, distrikan’Ankazo­be, afakomaly. Niala ny trano fonenany io lehilahy io, ny alahady 18 mey tolakandro. Tsy niverina an-trano intsony izy taorian’izay. Nampiahiahy ny fianakaviany ny fanjavonan’io havan’izy ireo io tampoka. Nanao fikarohana izy ireo saingy […]

Fivadiham-pitokisana : Vadina mpanakanto iray nisoloky 30 tapitrisa Ar

Niakatra teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha fivadiham-pitokisana nataona vadina mpanakanto malaza iray ka nisolokiany 30 tapitrisa Ar. Renim-pianakaviana iray, 70 taona, no voasolokiny tamina fividianana tany mirefy 1 100m² tetsy By-Pass, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpisolovava ilay niharan’ny fisolokiana. Nambarany fa nosoratany tao anatin’ny taratasy fifampivarotana teo amin’ny […]

Naratra mafy ny tompon-trano : 60 000 Ar nangalarina, nampiasana basy PA

Notafihan’ny jiolahy mitam-piadiana ny fianakaviana iray, teny Manandriana Avaradrano, afakomaly alina. Voaroba ny vola 60 000 Ar, solosaina finday. Nanohitra tamin’ny vely vy tao anaty haizina ny tompon-trano, kinanjo izy mianakavy no nifandratra. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray teny Manandriana Ava­radrano. Lasibatra ny tokantrano iray, ny alin’ny alatsinainy nifoha talata. Niditra […]

Andoharanofotsy : Lehilay iray maty nianjera tamin’ny moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andoharanofotsy, omaly alina, tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any. Niseho teo amin’ny fokontany Maha­lavolona, kaominina ambanivohitra Andoharano­fotsy, distrikan’ Antananarivo Atsi­mon­­drano ny loza. Lehilahy iray 25 taona, nitondra moto avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito iny no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nianjera rehefa […]

Ikopa : Lehilahy iray mpaka fasika, maty

Lehilahy iray, 22 taona, maty an-drano tetsy amin’ny ranon’Ikopa, manamorona an’Andohatapenaka, teo ampitan’ny Gara routiere, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Roa lahy no niaraka naka fasika teny amin’io rano io, nanomboka ny maraina, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso. Nandeha lakana izy ireo ary rendrika teny afovoan-drano noho […]