Tranga

Niaraka nangala-bilany : mpivady voasambotry ny fokonolona

Hanomboka anio ny famotorona ireo mpivady niaraka tamin’ny zanany voasambotry ny fokonolona noho ny fan­galarana tao amin’ny fokon­tany Ilanitra, Ampanenjanana, distrikan’ Ambositra. Namaky trano tao amin’io toerana io, nentin’ity raim-pianakaviana ity niaraka taminy ny zanany mbola trotroina sy ny vadiny. Nisy nahatsikaritra anefa io asa ratsin’izy mianakavy io. Raikitra ny […]

Nandeha nilalao: vatana mangatsiaka natsingevan’ny rano sisa nalain’ny havany

Hita faty tao anaty rano teny amin’ny karieran’Ambohimahitsy, ny alarobia hariva teo, i Christianah rehefa tsy hita popoka nanomboka ny alatsinainy teo. Nampivarahontsana. Natsin­gevan’ny rano afakomaly, teny amin’ ny karieran’Am­bohimahitsy ilay zazavavi­kely enin-taona tsy hita hatramin’ny alatsinainy teo. « To­kony ho tamin’ny 03 ora tolakandro teo no nisy nahita izy, ary […]

Ihosy : kamiaobe tratra nitondra vato Lepidolite

Tratran’ny zandary tao Sahambano Ihosy, ny 29 janoary 2023 tamin’ny 8 ora maraina, ny kamiaobe iray nitondra vato tsy misy taratasy mazava. Nandritra ny fisavana nataon’ny zandary teo amin’ny sakana no nahatrarana ity kamiaobe niaraka ta­min’ireto vato tsy ara-dalàna milanja enina taonina ireto. Karazam-bato antsoina hoe Lepidolite ireto tratra ireto, […]

Andron’ny manamboninahitra lefitra : feno 60 taona ny sekoly ENSOA

Andro miavaka amin’ireo manamboninahitra lefitra ny 01 febroary, nankalazaina nandritra izany koa ny faha-60 taona ny sekolim-pirenena manofana azy ireo. Andro manan-tantara ho an’ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy ny 01 febroary. Omaly, feno 60 taona ihany koa ny sekolim-pirenena ho an’ny manamboninahitra lefitra “ENSOA”. Nankalaza izany ny foloalindahy […]

Halatra varira: Zazavavy sivy taona lasan’ny dahalo fito lahy

Tsy mety foana! Lasan’ny dahalo fito lahy nirongo fitaovam-piadiana indray ny zaza varira iray tao Ampitsapitsa, anatin’ny kaominina ambanivohitra Loafary, distrikan’i Van­gaindrano, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy 31 janoary teo. Niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano nisy io zaza io ireo dahalo tamin’ny 02 ora sy sasany maraina. Tsy nisy fanazavana, […]