Tranga

« Transformateur » jirama nipoaka : tranokely iray may tanteraka

Taitra maraina ny fokonolona teny Anosisoa Ambohi­manarina, omaly. Nipoaka tokony ho tamin’ny 07 ora teo ny vata mpanova herinaratra “transformateur” an’i Jirama miisa roa. Vokany, nipoaka mafy izany sady nahazo ny tsenakely iray mpanao “pho­tocopie” teny an-toerana. May tanteraka izany, ka tsy nisy noraisina intsony. Levon’ ny afo tamin’izay koa […]

Toamasina : mpianaka indray natelin’ny ranomasina

Niara-natelin’ny ranomasina ny mpianaka tao amin’ny fokotany Depot fahaefatra- Toamasina, ny alahady 29 janoary lasa teo  tamin’ny 2 ora sy 15 minitra. Fiana­kaviana iray ity niaraka niala sasatra teny amoron-drano ity. Nilomano, arak’izany, izy telo mianaka. Nanonja mafy anefa ny ranomasina. Nilentika vokatr’io ilay raim-pianakaviana sy ny zanany. Avotra kosa […]

Raharaha Malama : voasazy 18 volana miampy 2 taona an-tranomaizina

Niampy sazy mihatra 18 volana sy 2 taona an-tranomaizina, miampy honitra 600.000 Ariary i Malama. Nampangain’ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka ilay teratany vahiny Olivier Blancard izy. Nahazo sazy mihatra 18 volana, miampy 2 taona an-tranomaizina i Mahery Lanto Manandafy. Araka ny didy nivoaka taorian’ny fitsarana azy tetsy Anosy, omaly atoandro. […]

Saika matin’ny fitsaram-bahoaka : mpamaky trano roa lahy voasambotra

Mitohy ny hala-botry ata­on’ireo jiolahy. Raim-pianakaviana iray naterin’ny fokonolona teny anivon’ny zandary rehefa avy nangalatra tao So­a­tolakandro, fokontany Am­bo­di­vohitra, distrikan’ Ikala­ma­vo­ny, ny 27 janoary teo . Ni­di­na handrehitr’afo tao ambany rihana ny renim-pianakaviana iray. Foana tsisy intsony ny vary 160 kg tao amin’ny fitoerany . Niantso vonjy, arak’izany, io ramatoa […]

Vatomandry : tratra ireo jiolahy namono mpanangom-bokatra

Saron’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Vato­man­dry, ny talata lasa teo, ny iray amin’ireo jiolahy tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ny renim-pianakaviana mpanangom-bokatra amin’iny tapany atsimon’i Vatomandry iny. Araka ny fanampim-panazavana voaray avy amin’ny kaomandin’ny borigadin’i Va­to­mandry, ny GPHC, Ram­be­lo­son Solo Jean Richard, vo­ka­try ny vela-pandrika nata­on’ny zandary no nahavoasambotra azy tao Ilaka […]