Tranga

Toamasina – Taona 2023: jiolahy 23 lavon’ny polisy, basy valo sy bala 43 tratra

« Nahomby ny fiaraha-miasa niarahana tamin’ireo ekipa ka nahazoam-bokatra ho an’ny fampandriana fahalemana tato anatin’ny faritra Atsinanana, nandritra ny taona 2023 hivalona afaka andro vitsy », hoy ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana, ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, omaly, nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety. Vokany, jiolahy 12 lavon’ny balan’ny polisy ny taona […]

Andavamamba: jiolahy mpamerin-keloka  voatifitry ny polisy

Nirefodrefotra ny basy! Lavon’ny polisy nandritra ny fanenjehana ny jiolahy ny alin’ny alakamisy 28 desambra teo. Efa mpamerin-keloka ity olon-dratsy ity.    Maty voatifitra nandritra ny fifandonana tamin’ny polisim-pirenana teny Andavamamba, afakomaly alina, ny jiolahy iray. Namaly ny polisy avy amin’ny Hery vonjitaitra miady amin’ny jiolahy mahery vaika, SAG,  izy […]

Rongony 150 kg saron’ny zandary

Nogiazan’ny zandary miasa ao amin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, ny rongony milanja 150 kg, tao amin’ny fokontany Ambobaka, ny alin’ny 26 desambra teo. Ny marain’ ny alarobia 27 desambra teo tamin’ny 05 ora, andian-jatovolahy nilanja rongony amin’ny gony no nifanehatra tamin’ny zandary. Nandositra avy hatrany ireo lehilahy ireo rehefa nahatazana ny zandary. […]

Iray maty, enina naratra: nifandona ny dahalo sy ny fokonolona

Namoizana ain’olona iray ary enina hafa naratra ny fanafihan-dahalo tao Soaserana, Ivohibe, ny 26 desambra teo. Da­halo nirongo fitaovam-piadiana nananika tanàna ka nangalatra omby 91. Naharay fampandrenesana ny zandarimaria miasa ao an-toerana ka nanao ny fanarahan-dia. Indroa niantoana ny fifandonana teo amin’ireo fokonolona nanara-dia sy ny dahalo. Nifamaly tifitra voalohany […]