Tranga

Tsy ho afa-bela ny Mpanolana : sady ho vosirina no hatao sesitany

Sady higadra mandra-pahafatiny ny mpanolana no hatao sesitany. “Mbola ho tsindromina fanafody simika ny filahiany tsy hamerin-keloka”, hoy ny filoha Rajoelina Andry. Mihanaka ny fanolanana mianjady amin’ny zaza amam-behivavy, nandritra ny taona 2023. Hatra­min’ny omaly mbola misy ny tranga nampihorin-koditra ta­ny Toamasina. Zaza vao roa taona dia efa novetavetaina. Manoloana […]

Ady tany ao Anosy Avaratra: tale sy mpanao politika voasambotra

Olona roa atao andrimaso eny anivon’ny zandarimaria eny Fiadanana, taorian’ny ady tany niseho teny Isahafa, Anosy Avaratra, ny sabotsy 30 desambra teo. Tale eo anivon’ny minisiteran’ny Fana­jariana ny tany ny iray. Voa­saringotra miaraka aminy ny tomponandraikitra ao anatin’ ny antoko politika TGV. Na­nao fihetsiketsehana ny fokonolona tao Isahafa momba ny […]

Anjozorobe; dahalo raindahiny maty voatifitra

Dahalo nanao fanamiana miaramila maty voatifitry ny zandary tao amin’ny tanànan’Ambodiakondro, kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Niafina tsy lavitra io toerana io ilay olon-dratsy, araka ny angom-baovao azon’ny mpitandro filaminana. Nidina ifotony nanamarina izany ny zandary telo lahy sy miaramila roa. Teny am-pisamborana azy, nokasain’ny manampahefana entina hihazo ny birao […]

Fetin’ny faran’ny taona: olona efatra maty, 120 nandalo mpitsabo

Olona efatra namoy ny ainy ka roa vokatry ny lozam-pifamoivoizana nandritra ny faran’ny herinandro. Nisy ny matin’ny toaka. 120 nandalo fizaham-pahasalamana. Vehivavy roa matin’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Anosy sy Anka­sina, omaly maraina. Renim-pianakaviana iray avy namonjy alim-bavaka ny iray. Nia­raka tamin’ny zanany izy, voafaokan’ny fiara tampoka. Maty tsy tra-drano raha toa […]

Ampanefy: jiolahy tratra nangalatra kisoa

Saron’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Atsimondrano teny Ampanefy, omaly, ny jiolahy iray tompon’antoka tamina halatra kisoa. Maro ny fitarainana voarain’ny polisy momba ny fisiana trangana halatra biby fiompy ao amin’ny faritra Ambohidronono, kaominina ambanivohitr’Ampanefy. Ireo kisoa no tena lasibatra amin’izany. Tsy mety tratra rahateo koa ireo mpangalatra, raha ny […]