Mpanao Cash point hanokatra tsena, narahina telo lahy mitam-piadiana teny amin’ny tetezan’i Bekiraro, omaly maraina. Voaambana basy izy ka voaroba ny vola 4 tapitrisa Ar. Manjaka ny asan-jiolahy eto an-dRenivohitra. Mpanao Cash point nivoaka maraina ny trano fonenany hamonjy ny toeram-piasany no lasibatra tetsy amin’ny tetezan’i Bekiraro, Isotry, omaly maraina. […]
Tranga
Latsaka anaty hantsana: lahiantitra namoy ny ainy
Raim-pianakaviana manodidina ny 70 taona namoy ny ainy latsaka tao anaty hantsana niaraka tamin’ ny bisikileta, tao Ambohimarina, fokontany Ambohipihaonana, kaominina Tamponala, distrikan’i Soavinandriana, omaly. Nivoy kodiarandroa. Nilatsaka tampoka tamin’ny toerana nisy hantsana nirefy 7 metatra teo ho eo anefa izy. Niaraka nilatsaka taminy ny bisikileta teny aminy. Vokany, nidaraboka […]
Maromitety: vehivavy maty novonoim-badiny
Maty vokatry ny herisetra nataom-badiny azy ny renim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Analabe, kaominina ambanivohitr’i Maromitety, distrikan’i Vavatenina, ny 15 janoary 2025 teo. Nahazo antso ny zandary ao amin’ny tobim-paritra Vavatenina momba ny fisiana vonoan’olona niniana natao tao amin’io fokontany io. Nidina haingana teny an-toerana ny zandary nanao ny fitsirihana […]
Karana voaroba 4 tapitrisa Ar: maty voatifitra ilay mpamily
Jiolahy mitam-piadiana nitondra moto nandroba vola 4 tapitrisa Ar an’ny teratany karana tetsy Ambodivona, omaly. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany ny raim-pianakaviana izay mpamily ka maty. Nanararaotra fitohanana, namoaka fitaovam-piadiana teny aminy ny iray tamin’ireo jiolahy nandroba vehivavy teratany karana teny Ambodivona, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Nandalo ny lalam-bato […]
Niaraka tamin’ny vinantony: lehilahy hita faty voatsatoka antsy
Voatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Anivorano2, kaominina ambanivohitr’i Sahalanona, distrikan’Ikongo, ny 13 janoary 2025. Tonga nampilaza tao amin’ny biraon’ny zandary, tamin’io fotoana io, ny sefo fokontany Anivorano2 fa nisy olona novonoin’olona tao amin’ny fokontany iadidiany. Nidina haingana tany an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]