Tranga

Omby valo very : rahalahiny ihany nanafika sy namono azy

Maty tsy tra-drano voan’ny bala nataon’ny dahalo ny tompon’omby iray tao amin’ny tanànan’i Soararivato, fokontany Tsinjavina, kaominina ambanivohitra Fenoa­rivo, distrikan’Ambatofi­nan­dra­hana, ny alin’ny alarobia 18 janoary teo. Dahalo maherin’ny folo nitondra basy sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray. Rahalahy iray tampo amin’ny tompon-trano ihany anefa ny iray tamin’ireo dahalo. Nohidin’ ireto […]

Morondava: mpanolana nandrahona olona ho faty

Tsy mampino ny zava-bitan’ny olon-dratsy. Lehilahy iray no tratra ambodiomby nanolana vehivavy iray omaly atoandro, tao Andakabe Morondava. Niditra an-keriny tao an-tranona vehivavy iray 20 taona ity lehilahy ity. Avy eo notereny hiray aminy io. Tsy nanaiky anefa ilay tovovavy ka norahonany ho faty mihitsy ka notolominy tamin’ny sitrapony. Nandritra […]

Nandroba lakozia: mpivavaka nifanenjika tamin’ny jiolahy

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Itaosy, teny Andranonahoatra, omaly, ny jiolahy mpamaky trano iray. Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, nifanenjehan’ny olona teny amin’ny faritra Andranonahoatra iny ity jiolahy ity fa tratra nangalatra tao amin’ny tokantrano iray. Naheno izany ireo polisy nanao fisafoana teny amin’ny manodidina an’Andranona­hoatra ka nanenjika […]

Jiolahy voatifitra : saika handroba fitehirizana fitaovam-piadian’ny Tafika

Nirefodrefotra ny basy tao Analakininina Hopitaly be, omaly tamin’ny 04 ora maraina. Lavon’ny balan’ny zandary ny jiolahy raindahiny efa namaky trano faninefany tao amin’io toerana io. Naheno feon-javatra hafahafa ireo miaramila mifanila-bodirindrina tamin’ny lasibatra ao anaty toby ka nivoaka. Tsi­karitr’izy ireo fa misy jiolahy efa teo ambony tamboho nananika ny […]

Varo-maizina: tratra ireo “Labradorite” 20 taonina tsy ara-dalàna

Saron’ny zandary tao Isoanala, ny alakamisy atoandro teo, ny fiarabe miisa roa nitondra vato 20 taonina. Avy any amin’ny faritra Bekily, nikasa hihazo ny renivohitra ireto kamiaobe nitondra vato indostrialy ireto. Tsy nanana taratasy mazava ny entana noentina rehefa natao ny fisavana. Karazam-bato “labradorite” ity notanterina antsokosoko ity. Tsy nisy […]