Tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena ireo olona miisa telo voatondro ho tompon’antoka namono ilay mpamily fiarabe sy ny mpanampy azy teny Ambohimangakely, iray volana lasa izay. Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha, mbola karohina fatratra kosa ny olona iray hafa niray tendro tamin’ity vono olona ity. “Nitondra menaka avy any Toamasina io fiarabe […]
Tranga
Mpivady niady : vehivavy maty nokapain-drangahy antsy
Voasambotry ny polisim-pirenena, omaly maraina, tao Sambava, ny lehilahy voatondro ho nahafaty ny vadiny. Naharay antso mahakasika ny tranga tao amin’ny fokontany Antanifotsy-Sambava, ny mpitandro filaminana. Nidina teny an-toerana ny polisy sy ny dokotera nijery ny zava-nisy. Misokatra ny fanadihadiana. Vehivavy iray 28 taona, tsy nisy aina intsony no novantanina […]
Fisolokiana : teratany maorisiana sy maraokanina voasambotra
Voasambotra ny mpisoloky efatra mianadahy. Mizaka ny zom-pirenena maorisiana sy marokanina, ary malagasy izy ireo, izay nilaza ho mandefa mpiasa sy mpianatra any Canada. Voasambotry ny zandary ny teratany maorisiana, maraokanina ary malagasy roa, omaly. Heloka anenjehana azy ireo ny fisolokiana fandefasana mpiasa any Canada. Nahazo fitarainana tamin’ny olona miisa […]
Miandrivazo : vehivavy nangala-jaza voasambotra
Voasambotry ny polisy, ny alatsinainy teo, ilay ramatoa nanao herisetra tamina ankizivavikely 10 taona. Tsy vitan’izay ihany fa misandoka ho renin’ilay zaza mihitsy izy, ka manampatra ny heriny amin’ity tsy manan-tsiny. Araka izany, nahazo angom-baovao ny mpitandro filaminana fa misy zazavavikely niharan’ny herisetra tao Mangaroa Anjiajia, distrikan’i Miandrivazo. Nidina nijery […]
Fenoarivobe : olona sivy nidoboka am-ponja
Manoloana ny vono olona mahatsiravina nahafatesana mpivady avy namboly teny an-tsaha, tao amin’ny kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, ny 23 desambra teo. Olona sivy mianadahy naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Raha tsiahivina, nifamaly tamin’ireo mpivady ireo ny zanaky ny rahalahin-drain’izy ireo. Noho ny tsy fifankazahoana […]