Niakatra fampanoavana omaly, ny raharaha halatra solika an’ireo teratany sinoa mpanamboatra ny lalam-pirenena (RN5) mampitohy an’i Toamasina sy Maroantsetra. Voasambotra ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma teo, ireo roalahy voatondro ho nanao ny asa ratsy. Tratra teny amin’ny fokontany Ambinany, kaominina Marimbona , distrikan’i Soanierana Ivongo izy roa lahy. Mbola […]
Tranga
Asan-jiolahy: vilany iray nitifirana raim-pianakaviana
Vono olona mahatsiravina miharo fandrobana ! Maty teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray notafihan’ny jiolahy enina nitam-piadiana tao Antarata, fokontany Antongo, distrikan’Ivohibe ny 1 desambra teo. Nahazo antso avy amin’ ny solontenan’ny andrimasom-pokonolona ny zandary fa nitrangana asan-jiolahy tao Antarata, ny alin’ny faran’ny taona teo. Nidina nijery ny zava-misy tao […]
Zava-mahadomelina : vehivavy iray nahatrarana “rôrô” 30 fonosana
Saron’ny polisim-pirenena, ny zoma teo, ny ramatoa iray mpivarotra rongony mahery vaika “rôrô”, etsy Antohomadinika. Isan’ireo mpamatsy io zava-mahadomelina io eny an-toerana ny tenany ka nanaovan’ny polisy bemidina avy hatrany. Tratra tao amin’ilay trano voalaza tokoa izy ary mbola nahitana fonosana “rôrô” 30 isa. Miandahy miambavy ny mpanjifa ity zava-mahadomelina […]
Fampitandreman’ny polisy : tsy nahasakana ny asan-jiolahy
Mahita irika ihany! Na teo aza ny fampitandremana nataon’ny polisy tamin’ny alalan’ny kaomanidin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules, nandritra ny fankalazana ny fety teo. Tsy nisy fiantraikany fa vao mainka nanao ny nataony ny jiolahy tao Toamasina. Nirongatra izay tsiizy, ny asan-jiolahy tao amin’ny fokontany Analankinina Hopitalibe, Toamasina sy Valpinson, […]
Brickaville : Trano 34 nirehitra, olona 149 tsy manan-kialofana
An-tapitrisa maro indray levon’ny afo nandritra ilay hain-trano goavana tao Brickaville, omaly maraina. Fianakaviana 68 tra-boina. Nijoalajoala ny afo tao amin’ny renivohitr’i Brickaville, omaly tokony ho tamin’ny 04 ora maraina. Nitrangana hain-trano goavana tao an-toerana, tsy lavitry ny toeram-pivarotana satra. Vokany, trano 34 indray kilan’ny afo, trano 10 hafa kosa […]