Avotry ny zandary sy ny fokonolona ireo omby roa nalain’ny dahalo tao Ambohimahasoa fokontany Ifoitry, kaominina Anandravy, distrikan’i Vondrozo, ny alatsinainy teo. Vantany vao lasan’ireo dahalo ny omby, nampandre ny zandary ny tompony. Nanao ny fanarahan-dia arak’izany ny fokonolona sy ny zandary roalahy. Nifanehatra tao amin’ny fokontany Mangaikarea, kaominina Andoharano […]
Tranga
Lozam-pifamoivoizana: fatin-dehilahy nitsirara teo amin’ny arabe
Vao mangirandratsy, hitan’ny fokonolona teo afovoan’ny arabe anatin’ny lalam-pirenena faha-12 , PK 145 + 200, teo amin’ny fokontany Antanifotsy, kaominina Vohitsindry, distrikan’i Vohipeno, ny fatin-dehilahy nihosin-dra, afakomaly. Olona sendra nandalo tokony ho tamin’ny 06 ora maraina no nampandre ny polisy ao an-toerana. Nidina nanao ny fizahana ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana. […]
Hazo nidaraboka: vehivavy iray maty, telo naratra
Namoy ny ainy teny amin’ny hopitaly Mahanoro, ilay ramatoa 40 taona, mpivarotra amoron-dalana, nilatsahan-kazo omaly tao Bazar Be Mahanoro, ampitan’ny biraon’ny polisy. Tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina teo, tsy nisy nanampo ny rehetra. Nidaraboka tampoka ilay hazo ka nidoboka tamina ramatoa mpivaro-trondro teo an-toerana. Lehilahy iray naka […]
Vaky fasana tao Ikalamavony: taolam-paty 24 lasan’ny jiolahy
Nosavoritahan’ireo jiolahy ny fasana, lasany ny toalam-paty 24 tao atsimon’ny tanànan’Ikivaho, kaominina Fitampito, distrikan’Ikalamavony, ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Naharay antso ny zandary tao amin’ny borigadin’i Fitampito . Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny roalahy. Efa nisokatra ny fasana izay hita fa nosavoritahan’ny jiolahy. Natao ny fitsirihana ny tao […]
CNLS-Sida: misy fanodinkodinam-bola, hitsirika ny IGE
Misy tsy mazava ary tsy mangarahara. Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny handefasana ny mpisafondraharaham-panjakana “Inspection Générale d’Etat – IGE” hanao fanadihadiana ny eo anivon’ny Fandrindrana ny ady atao amin’ny Sida (CNLS). Hentitra ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany fa tsy maintsy tanterahina anaty fotoana fohy izany fanadihadiana […]