Tranga

Ambohimanarina: mpianaka mpivarotra rongony tra-tehaka

Voasambotry ny mpitandro filaminana ny ramatoa iray sy ny zanany vavy mpivarotra rongony teny Ambodihady Ambohimanarina, afakomaly. Malaza ratsy amin’ny fanamparitahana io karazan-java-mahadomelina io, nitaraina teny amin’ny polisy ireo manodidina. Nijery ifotony ny zava-nisy, araka izany, ireto farany. Sarona tokoa ny vehivavy iray teo am-pivarotana rongony amin’ny fonosana maromaro. Natao […]

Antaniavo: mpiambina garazy iray may

Nitrangana hain-trano tetsy Antaniavo Antohomadinika, omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. May tamin’izany ny garazy trano hazo teo an-toerana. Tra-doza ihany koa ny lehilahy iray mpiambina ny toerana. May teo amin’ny tarehiny izy, saingy mbola afaka niantso vonjy tamin’ireo manodidina. Minitra vitsy taorian’io, vory teo ny mpiara-belona, niray hina […]

Fakana an-keriny: jiolahy roa maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy, lavon’ny zandary ireo roa lahy nikasa hanao fakana an-keriny tao amin’ny fokontany Fiadanana, kaominina Androvakely, distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Nitondra basy niampy zava-maranitra toy ny antsy sy famaky izy mirahalahy ireto. Taorian’ny nametrahan’ireto mpaka an-keriny ireto ny taratasy fampihorohoroana ireo mponina tao amin’io kaominina io, niditra an-tsehatra ny mpitandro […]

Vono olona Imerinkasinina: polisy ny efatra tamin’ireo 12 voasambotra

Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimaria momba ilay vono olona mahatsiravina teny Imerinkasinina. Polisy am-perinasa ny efatra ary kaomisera ny iray. Nahatratra 12 ireo olona voasambotry ny zandarimariam-pirenena tamin’ilay famonoana mpirakidraharaha sy mpamory hetra teny Imerinkasinina, ny herinandro teo. Voatondro ho tompon’antoka mivantana sy ankolaka ary niray tendro tamin’izany […]

Halatra moto: jiolahy roa voasambotra

Voasambotry ny polisy ireo jiolahy miisa roa nangalatra moto. Tokantrano iray tetsy Ambodihady Ankadindramamy no lasibatr’izy ireo, ny  zoma teo ka niantso polisy avy hatrany. Raikitra ny fanenjehana taorian’izay. Natao ny vela-pandrika ka nanaraka ny lalan’ireto jiolahy ireto ny polisy. Vokany, tratra teny Andranomena  niaraka tamin’ilay  moto ireo jiolahy, hoy […]