Nitrangana fanafihana mpanao Cash point iray indray teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy 30 mn. Teny an-dalana nitsoaka ireo jiolahy no nitifitra renim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano ny renim-pianakaviana iray 36 taona manan-janaka efatra, notifirin’ireo jiolahy avy nanafika mpanao Cash point teo Anosizato Atsinanana, omaly maraina. Jiolahy […]
Tranga
Anolaka-Fianarantsoa : mpampiady akoho maty novonoina
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amina tokantrano iray ao Anolaka, fokontany Antanifotsy IV, kaominina an-drenivohitr’i Fianarantsoa. Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy teo amin’ny lohany ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Mpampiady akoho ny asany ka ahina ho misy ifandraisany amin’izao raharaha izao. Naratra nandritra ny fanafihana koa ny renim-pianakaviana iray […]
Valifaty hafahafa : renim-pianakaviana maty voafira antsy
Ramatoa 50 taona maty nofirain’ny jiolahy roa lahy antsy tao an-tranony tao Moramizy, kaominina Ankarana, distrikan’i Farafangana, ny alin’ny 1 septambra teo. Nitondra basy, niditra an-keriny tao amin’ny ankohonan’io renim-pianakaviana io ireo jiolahy. Nitondra antsy, norasainy avy hatrany ilay ramatoa. Tsy vitan’io, notifirin’ireo tsy valahara koa ny tongotr’ilay rangahy vadin’io […]
Lehilahy namono vady: fitakiana fitsaram-bahoaka, nivadika ho doro tanàna
Afobe tao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, omaly. Fitakiana lehilahy iray hanaovana fitsaram-bahoaka no nitarika izao faharavana tanàna iray manontolo izao… Tsy mbola maty ny afo hatramin’ny omaly hariva (tamin’ny 7 ora) ao an-tampon-tanànan’i Vohipeno, distrikan’i Manakara, vokatry ny fahamaizan’ireo trano marobe. Nirefodrefotra ihany koa ny poa-basy sy ny grenady lakrimozena […]
11 nalaina an-keriny: jiolahy telo rotiky ny balan’ny zandary
Maty tsy tra-drano ny dahalo mpaka an-keriny telo lahy. Tanàna telo samihafa anatin’ny distrikan’Anjozorobe, no nisehoan’izany. Hetsika nataon’ny zandarimaria ny zoma sy sabotsy lasa teo. Efa ikoizana amin’io asa ratsy io izy ireo ka nahatonga ny hazalambo. Tompon’antoka tamin’ny fanatontosana trangana fakana an-keriny tao amin’ ny kaominina Amparatanjona sy tao […]




