Nifanenjehana tamin’ny fokonolona sy ny zandary, maty voatifitra ny mpaka an-keriny roa lahy saika hanatanteraka ny asa ratsiny tao Tsaratanana, afakomaly. Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Keliloha, distrikan’i Tsaratanàna, afakomaly. Nikononkonona asa fakana an-keriny indray ny dahalo raindahiny. Tsikaritry ny fokonolona anefa ny fisian’ireo olon-dratsy ireo tao amin’ny kijanan’i […]
Tranga
Ihosy: dahalo fito lavon’ny bala, tompon’omby iray maty
Namoy ny ainy matin’ny dahalo ny tompon’omby iray nanara-dia dahalo tao Ihosy, ny faran’ny herinandro teo. Dahalo fito voatifitra ary am-polony naratra. Dahalo fito maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny zandary tao amin’ny fokontany Tanandava Malio, distrikan’ Ihosy, ny sabotsy hifoha ny alahady 24 septambra teo. Nangalatra omby 73 tao amin’io […]
Dadabe 60 taona voasambotra : mpamaky trano gagilahy!
Tsy mifidy taona ny fanaovan-dratsy. Lehilahy lehibe, efa 60 taona no voasambotry ny polisy teo ampihaniahana tamboho. Ikoizana amin’ny famakiana trano izy. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo Ambony teny Saropody, omaly tamin’ny 5 ora maraina, ny jiolahy raindahiny. Nikasa hamaky tranon’olona sy hangalatra izy no tra-tehaka […]
Tratra teo am-panendahana: jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy naka ity jiolahy saika matin’ny fitsaram-bahoaka teny Paraky, Andrefan’Ambohijanahary ity, ny zoma hariva teo. Tratra teo am-panendahana vehivavy teo akaikin’ny tobin-tsolika iray eo amin’ny toerana atao hoe Descours izy. Niantso vonjy avy hatrany ity renim-pianakaviana niharan’ny fanendahana ity. Raikitra teo ny fifanenjehana satria […]
Taksiborosy voatafika: 3 tapitrisa ar voatifitra, olona telo naratra
Nitrangana fanafihan-jiolahy mitam-piadiana tao Bebao Tsiroanomandidy, RN1, omaly maraina. Taksiborosy roa sy kamiaobe no indray voatafika. Olona telo naratra mafy, lasa ny vola 3 tapitrisa Ar mahery. Dahalo enin-dahy nitondra basy no tompon’antoka tamina fanafihana taksiborosy roa sy kamiaobe iray tao Tsiroanomandidy. Taksiborosy avy amina kaoperativa roa manao fitaterana mihazo […]




