Tranga

Ampahibato – Alasora : jiolahy roa lavon’ny zandary, basy roa tratra

Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny sampana fikarohana heloka bevava Fia­danana teny Amboniandre­fana, fokontany Ampahibato, kaominina Alasora, ny alarobia alina teo ireo jiolahy roa. Teo am-piomankomanana hanao fanafihana ireo jiolahy no nifanehatra tamin’ny zandary. Efa nahazo loharanom-baovao mialoha rahateo ny zandary momba ny fisian’ireto jiolahy mikasa hanao fanafi­hana mitam-piadiana […]

Cash point voatafika : polisy sy dokera iray voatifitry ny jiolahy teny Ampasampito

Nirefotra indray ny basin’ireo jiolahy teny Ampasampito omaly maraina tamin’ny 6 ora sy 30 mn. Cash point iray voatafika. Naratra ny dokera iray sy ny polisy iray raha nikasa hamonjy ilay renim-pianakaviana notafihan’ny jiolahy… Jiolahy roa nitondra basy mahery vaika no nanafika tao amina Cash point iray eny Ampasampito, omaly […]

Mpandefa mpiasa any koweït : roa lahy naiditra am-ponja, maka 5 000 000 Ar isan’olona

Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo lehilahy roa saika handefa an-tsokosoko vehivavy dimy hiasa any amin’ny tany Arabo. Teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato no tratra izy roa lahy ireto niaraka tamin’ireo tovovavy saika halefa hihazo ho any amin’ny tany Arabo. Nanatitra ireo vehivavy dimy hiasa an-trano any amin’ny tany Arabo izy […]

Saika hanao pasipaoro : olona fito tratra nampiasa taratasy hosoka

Tohivakana ireo tambajotrana mpisoloky sy mpanao hosoka amin’ny alalan’ny antontan-taratasy hanaovana pasipaoro sy taratasim-panjakana. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny surveillance du territoire ny lehilahy iray nampiasa karapanondro hosoka. Nilaza ity voarohirohy ity fa hoe hampiasainy amin’ny resaka varotra sy taratasy any amin’ny banky ireo karapanondro hosoka ireo. Vela-pandrika nataon’ny polisy […]

Nandroba 29 tapitrisa Ar : enin-dahy mitam-basy voatifitry ny zandary

Voaroban’ny jiolahy miisa 12 ny volabe 29 tapitrisa, tanaty taksiborosy, omaly. Nisy ny fanarahan-dia, enina tamin’ny olon-dratsy no maty voatifitry ny zandary. Notafihin’ny jiolahy miisa 12 nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika ny kamiaobe Taksiborosy «Bilomalaza» tao Andra­novory Toliara II, omaly. Lasan’ny mpanafika ny vola mitentina 29 tapitrisa Ar mahery. Taksiborosy mampitohy […]