Tranga

Nanota fady : mpianatra 50 mahery niharan-doza

Nisehoan-javatra hafahafa ny mpianatra 50 tao amin’ny CEG iray ao Tana­ma­koa, oma­ly. Nanimbazimba toerana fady tao amin’ny alan-javaboary Ivoloina, Toa­ma­sina izy ireo. Nivoaka nanao fitsangantsanganana tao amin’io toerana io ireo mpianatra niaraka tamin’ireo mpanabe, ny asabotsy lasa teo. Kilasy telo izy ireo, samy nanao ny fitsidihana. Novira­viran’ny mpianatra sasany tamin’ireo […]

Nanolan-jafikely : lahiantitra higadra 5 taona

Namoahan’ny fitsarana ambony didy higadra dimy taona an-tranomaizina ilay raim-pianakaviana nanolana ny zafiny vao sivy taona tao amin’ny kaominina Amboli­zana, distrikan’i Toamasina faharoa, omaly. Zanaky ny zanany lahy ity zazavavy kely niharan’ny filàna ara-nofo ity. Napetrak’io zanany io taminy mba handrato fianarana arak’izany ilay zaza. Ny alin’ny 10 aprily hifohy […]

Mpivady mpisoloky: vao avy nigadra, voasambotra indray

Tra-tehaky ny polisy ny mpivady nisoloky volan’olona tamin’ny « facebook » ny herinandro teo. Maro no velon- taraina amin’izy mivady, lanin’izy ireo ny vola azony. Tsy mety fay! Saron’ny polisim-pirenena ny herinandro lasa teo ireo mpivady nisoloky volan’olona tany Angarazy, distrika Morombe. Nahita filazana tao amin’ny tambajotra sosialy ireto mpivady ireto ka […]

Ihosy : zaza hita nandeha irery

avy any an-toerana. Ni­la­za izy fa avy any Masoabe distrikan’i Vohibato raha ny fanadihadiana natao taminy. Tsy na­hare fahaverezana zaza varira ny zandary tany an-toe­ra­na ha­tramin’io fo­toana io. Ary tsy mbola nisy fitarainana mikasika izany ihany koa. “Tsy mbola fantatra hatreto na avy any Masoabe marina izy na tsia fa […]

Firongatry doro ala : fasana miisa 7 kila forehitra niaraka tamina taolam-paty

Hotohoton’ny afo niaraka tamin’ireo fasana fito ny taolam-balo tao anatiny vokatry ny doro ala tao Ambatomiritika anatin’ny fokontany Sahamelo­ka kominina ambanivohitra Fa­nandrana disitrikan’ i Toama­sina faharoa ny alahady 4 de­sambra tolak’ andro teo. May ireo razana tao an-davaka ary tsy nisy azo noraisina intsony ny fasana nitafo ravim-potsy. Misy tamin’ireo […]