Tranga

Mpirafivavy niady an-tsena: raim-pianakaviana voatsatok’antsy

Naratra mafy ny lehilahy iray, voatsatoka antsy tamin’ny talata alina. Telo andro taorian’ny niadiavan’ny vehivavy roa samy sakaizany teny an-tsena. Asa, misy ifandraisany izany ? Tovovavy roa mpirafivavy samy sakaizana raim-pianakaviana iray no nifandramatra sy nifampito­lona, tao amin’ny fokontany Andranomadio Toamasina, tamin’ny sabotsy. Nitangorona ny fokonolona nahita azy ireo nifampisaringo-bolo sy […]

Morarano Ankilizato : zaza varira nalain’ny dahalo teny an-trotroin-dreniny

Nitrangana fakana an-keriny zaza varira indray tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina ambanivohitr’Anki­li­zato, distrikan’i Mahabo, faritra Me­na­be, afakomaly. Na­lain’ny da­halo an-keriny teny an-trotroin-dreniny ny zazavavy iray taona sy tapany (zazakely mbola mi­nono). Dahalo enin-dahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tompon’antoka tamin’ ity fakana an-keriny ity. Niditra an-keriny tao an-trano ireo dahalo. […]

Depiote tra-doza: vehivavy 76 taona, maty voadonan’ny 4×4

Maty tsy tra-drano ny vaviantitra iray, 76 taona, omaly. Voadonan’ny fiara 4×4, nentina depiote, hamonjy hetsika politika izy. Mikasa hanao raharaham-pihavanana ny roa tonta. Namoy ny ainy teo no ho eo ny renim-pianakaviana iray 76 taona voadonan’ny fiara nentin’ny solombavambahoaka iray, omaly. Tra-doza teo amin’ny lalam-pirenena faha-12, PK 134 + 278, […]

Ambohimangakely : mpampianatra tratra namaky trano

Hatolotra ny fampanoavana ireo mpampianatra roa lahy miampy lehilahy iray hafa voarohirohy ho tompon’antoka tamina famakiana trano fitehirizana entam-barotra teny Ambodivoara, fokontany An­dranovao Ambohimangakely. Nanaovana ombay mitady ny ankizy kambana roa lahy izay tsy hita ny 22 septambra 2023 lasa teo. Nentin’ireo mpampianatra ireo niara-nanao asa ratsy taminy anefa ireo […]

Noho ny herisetra : nampamonoany jiolahy ny vadiny

Raim-pianakaviana iray 45 taona manan-janaka roa no saika namoy ny ainy rehefa novelesin’ny jiolahy ny hazobe teo amin’ny lohany teny Andranomanalina, afakomaly hariva. Vaky mihitsy ny lohany, araka ny fanazavan’ireo olona nahita ny zava-nisy teny an-toerana. Miasa mivarotra brokatera ny asan’ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Avy niasa izy tamin’io fotoana io […]