Vokatry ny rotsakorana nandritry ny alina, nianjera tao amin’ny lakozia iray tetsy Ambanidia Volosarika ny tamboho teo amboniny, omaly. Vokany, maty voatotan’ny biriky ilay zazalahikely roa taona sy tapany. Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana zazalahikely roa taona sy tapany, tetsy Ambanidia Volosarika, omaly tamin’ny 6 ora sy sasany maraina. Nianjera tamin’ny […]
Tranga
Saika mpamerin-keloka avokoa: Dimy ireo jiolahy maty, efatra azo sambo-belona
Dimy ireo jiolahy lavon’ny balan’ny polisy, tao anatin’ny hetsika hiadiana amin’ny fanafihana mitam-piadiana misesisesy teto Antananarivo. Efatra ireo azo sambo-belona hatramin’izao. Vehivavy rasazy, mipakaraka ireo jiolahy ny iray tamin’ireo. Efa saika mpamerin-keloka ary gadra efa nahavita ny saziny avokoa ireo jiolahy vaosambotra ireo, raha ny tatitra nataon’ny polisim-pirenena niarahan’ny DPJ, […]
Ambohimangakely : Mpianadahy mpamaky trano niara-tratra
Niaraka nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny ny mpianadahy miara-miasa manao vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohomangakely, ny zoma 21 febroary teo. Manana fanalahidy am-polony karazany samihafa, hampiasain’i Rasta hanokafany tokantrano eny amin’ny manodidina izany. Hangalariny avokoa izay entana rehetra azo avadika vola. Toy ny vilany hatramin’ny […]
Tao anaty trano hazo: Olona telo mianaka, maty nirodanan’ny tamboho
Tamboho nirodana, olona telo mianaka maty nirodanan’ny tamboho tetsy Ilanivato Anosipatrana, ny sabotsy alina teo. Zazalahikely 8 taona avotra soamantsara. Nitrangana firodanana tamboho, nahafatesana olona telo mianaka sy naharatrana olona iray hafa, tetsy Ilanivato Anosipatrana, ny sabotsy, tamin’ny 11 ora alina. Nifatratra tao amin’ny trano hazo iray teo ambaniny, ny […]
Vokatry ny fiakarana tosidra : Vazaha, 75 taona, iray hita faty tao an-tranony
Teratany vahiny iray, 75 taona, hita faty tao an-tranony, omaly tamin’ny 10 ora sy 30 minitra, tao amin’ny fokontany Ambohinambo, kaominina Ambanivohitra Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo. Maty teo am-pandriana natoriany sy nivoaka an-kilaoty izy io, rehefa nojeren’ireo tomponandraikitra. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany any an-toerana, mahakasika io tranga io, ny teo […]