Nitsirara tamin’ny tany, renim-pianakaviana iray, 60 taona, namoy ny ainy tao Tanambao Toamasina, omaly. Mpandalo no nahita azy. Tsy nihetsika intsony ary nitsotra eo amin’ny tany izy. Nampiahiahy ny manodidina ny fahitana ilay ramatoa izay tsy namaly intsony ny fanairan’ny manodidina azy. Tsy nisy aina intsony, efa maty ilay ramatoa. […]
Tranga
Voavely “barre à mine” : Maty ilay lehilahy nanasaraka ady
Naratra mafy ka voatery nentina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny lehilahy iray nanasaraka ady tao Andranomadio 11/43, kaominina Toamasina, ny alin’ny 1 janoary teo. Tao anatin’ny hafanam-po, teo am-piandrasana ny taona vaovao, nitrangana fifampikasihan-tanana teo amin’ireo vatan-dehilahy tsy nifankahazo hevitra tao amin’io fokontany io, tamin’ny 8 ora alina. […]
Variana namboly ny rainy : Zazakely maty tao an-davadrano
Mahaontsa! Raha variana namboly ny rainy, niara-latsaka tao an-davadrano ny zaza mianadahy teny Anosiala Ambohidratrimo. Maty ilay vavikely, avotra kosa ny anadahiny. Zaza herintaona sy telo volana, maty tsy tra-drano latsaka tao anatina lavadrano, tao Ambony Atsimo, fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo, ny 30 desambra teo. Nanao ny asa fambolena […]
Anosizato Atsinanana: Lehilahy maty notrongisin’ny fiara
Mpandeha an-tongotra namoy ny ainy voatrongin’ny fiara teny Anosizato Atsinanana, ny alin’ny faran’ny taona teo. Fiara an’olon-tsotra nikasa hamonjy fodiana any Ankaditany nandeha mafy. Tsy fantatra mazava ny nahazo ny mpamily. Nandeha mafy loatra ny fiara nentiny ka tsy voafehy ny familiana. Lehilahy iray voafaoka teo no ho eo. Niptika […]
Zava-mahadomelina : Rongony 600 kg nogiazana
Rongony 600 kg nodorana teo anatrehan’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra voakasika tao Antsohihy, ny 31 desambra lasa teo. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina anatin’io distrika io, nanao hetsika manokana hamongorana ny mpanamparitaka rongony ny zandary. Gony maromaro tra-tehaky ny ekipa tarihin’ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy. Nogiazana avy hatrany ireo entana ireo […]