Lelavola maherin’ny 1 tapitrisa lasan’ny jiolahy nitam-piadiana nandritra ny fanafihana tao amin’ny fokontany Besarety, kaominina Amparafaravola, ny alin’ny 26 aprily teo. Olon-dratsy roa lahy nitondra basy niditra an-keriny tao amin’ny trano roa samy hafa, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Tsy nisy alaharo, nambanan’izy ireo fitaovam-piadiana ny tompon-trano. Nitaky ireo […]
Tranga
Nodomin’ny kamiao: Raim-pianakaviana namoy ny ainy
Nandositra ny kamiao nahafaty olona tao Antetokely, Marovohitra, kaominina Sambaina, distrikan’i Manjakandriana, ny alahady 27 avrily teo. Voafaokan’io fiarabe ny raim-pianakaviana 41 taona, ny harivan’io andro io, tamin’ny 6 ora sy sasany. Nipitika tamin’ny arabe, vaky ra ilay lasibatra. Nitsirara tamin’ny tany izy ka nitarika tamin’ny famohizany aina. Tsy afa-nialana […]
Famonoana an’i Tricha: adiny dimy taty aoriana, hita tao an-trano ny razana
Mampihoron-koditra ny zava-nanjo an’i Tricha, ilay zanaka vavin’ny mpihira Fandrama. Efa ora dimy taorian’ny namonoana azy vao hitan’ny fianakaviana tao an-trano ihany ny razana. Naolana, nofatorana tongotra aman-tanana, nokendaina sy nodarodarohana, santionany tamin’ny zava-doza niaretan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama, mialoha ny nahatapitra ny ainy. Ireo no tombana voalohany […]
Kaominina Brieville : Mpaka an-keriny maty voatifitra
Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Malamamaina, kaominina Brieville ny dahalo mpaka an-keriny, ny zoma 25 avrily teo, tamin’ny 4 ora. Mpaka takalonaina tao amin’ny distrikan’i Tsaratanàna, voasambotry ny mpitandro filaminana ny 23 avrily lasa teo, tao amin’ny fokontany Antsampandrano io olon-dratsy io. Noterena hilaza ny toerana hisitrihan’ireo mpiara-manao […]
Tsy nahazaka resy tamin’ny domy: Lehilahy nanindrona antsy voasambotra
Niara-nilalao daomy tany Tsararivotra, distrikan’i Mampikony, ny lehilahy miisa telo ny 26 avrily 2025 lasa teo. Nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo nandritra ny lalao ka namoaka antsy ny lehilahy iray tamin’izy ireo. Notsindrominy tamin’izany avy hatrany ireo mpiara-milalao roa hafa. Vokany, naratra teo amin’ny tanany ireo lasibatra. “Tsy […]