Tranga

Trafikana Cocaïne, 16 Miliara ariary: Maorisianina telo sy Malagasy dimy naiditra am-ponja

Saron’ny zandarimariam-pirenena misahana ny ady heloka bevava, ny faran’ny herinandro teo, ireo zava-mahadomelina (Cocaïne) milanja 16,45 kilao. Olona sivy, mpiray tsikombakomba voasambotra. Mitentina 16 miliara mahery ireo zava-mahadomelina sarona ireo. Zava-mahadomelina ma­hery vaika avy any Pakistan saika haondrana antsokosoko any Nosy Maurice ireto tratra ireto, raha ny tatitra avy amin’ny […]

Natao tao anaty ranona kafe: Saron’ny zandary ireo rongony 10 fonosana

Saron’ny zandary miasa eo anivon’ny Poste Anosizato, omaly, ireo rongony 10 fonosana. Hita tao amin’ny tranona ramatoa iray monina etsy amin’ny Dalle, fokontany An­kazotoho, kaominina Ano­sizato Andrefana. Tsara afina tao anaty vilany takoboka mpitahiry hafanana ireo zava-mahadomelina ireo. Heverina ho ranon-kafe mafana hay ravina maina mpitondra ambiroa ho any amin’ny […]

Ambato Boeny : Mitaky ny hamerenana ny tranony ireo olon-tsotra

Tsipahin’ny olon-tsotra tompon’ny trano ny fibodoana mpitsabo iray mpiasam-panjakana ao amin’ny fokontany Mangaroa, kaominina ambanivohitra Ankijabe, ny taniny, amin’izao fotoana. Mitaky ny hamerenana ny taniny izy ireo taorian’ny fifanarahana nisy teo amin’ilay mpitsabo. “Misy taratasy ara-dalàna manambara fa mifarana ny 2024 ny fampiasan’ilay mpanararaotra fahefana ny tany”, hoy ny nambaran’ilay […]

Herinaratra tapaka : Trano iray kila forehitra, olona iray naratra

Nitrangana haintrano ma­hatsiravina indray tao amin’ny fokontany Depot fahefatra, parisela 23/44, omaly maraina tamin’ny 2 ora. Tonga ara-potoana namono ny afo ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina fa indroa tsy tafiditra tany amin’ilay toerana nitrangan’ny firehetana. Ni­tarika olana tamin’ny famonoana ny afo izany satria nanao tifi-davitra tamin’ny alalan’ny fantsona mitondra […]