Tovolahy 20 taona iray tamin’ireo mpandeha no maty. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’ny RN4, afakomaly vao maraina. Taksiborosy mampitohy ny faritra Sava nikasa hihazo ny Renivohitra ity nivadika ity. Tratry ny torimaso fotsy ny mpamily. “Nanampy trotraka niteraka ny loza ihany koa ny fisian’ny zavona be teny amin’ny lalana, […]
Tranga
Zava-mahadomelina: mpivarotra rongony 6 mianadahy voasambotra
Tambajotra mpikirakira rongony voasambotry ny zandary, ny 24 avrily teo. Taksiborosy iray avy any Ambatolampy, nitondra moto tao ambonin’ny fiara no voasava teo amin’ny PK 18, RN7, teo Ambatobevohoka, kaominina Bongatsara, distrikan’ Antananarivo Atsimondrano. Tsy nahitana taratasy na iray aza mahakasika io moto io. Notazonina ny lehilahy voatondro ho mitondra […]
Varotra amin’ny « facebook » : roa lahy mpanao trafikana « Skunk » nosamborina
Natolotra ny fampanoavana, omaly, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika “Skunk”. Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina (Stup) teny By-Pass, tamin’ny alahady maraina, izy roa lahy. Nahazo loharanom-baovao ny polisy (Stup) fa misy olona mivarotra “Skunk” eny Imerintsiatosika. Nametraka ny vela-pandrika avy […]
Tratran’ny angaredona : saika maty i Rica, nangala-bola iray gony
Tra-tehaky ny fokonolona ka niharan’ny fitsaram-bahoaka ny jiolahy iray, antsoina hoe Rica, afakomaly. Nandroba vola iray gony izy sy ny namany. Tsy lasa lavitra fa vao nikasa hitsoaka dia efa voasambotra i Rica, jiolahy raindahiny. Avy nangalatra vola iray gony tao amin’ny tsena Ambalasoaray izy sy ny namany, afakomaly. Lasibatra […]
Tsarahonenana : jiolahy 4 tratra namaky trano
Ravan’ny polisy tao Tsarahonena, afakomaly, ireo jiolahy raindahiny amin’ny fanendahana miharo vaky trano. Voalazan’ny polisy fa ry zalahy ireto no tompon’antoka amin’ny fanendahana ao an-tampon-tanànan’i Toamasina. Miezaka mamerina ny fandriampahalemana ireo polisy ka miasa andro aman’alina, izao nahitam-bokany izao izany. Naharay antso avy amin’ny tompon-trano niharan’ny asa ratsy ny polisin’ny […]




