Noteren’ny filan-dratsiny, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehilahy iray saika hanolana ramatoa 70 taona tao Ampitsaharana, Soavinandriana, afakomaly. Niditra an-keriny tao amin’io vaviantitra io ity mpanolana ity. Noferany tsy hiloa-bava ilay ramatoa. Notolominy teo ambony fandriana avy hatrany ity farany. Niezaka hiala saingy tsy afa-nanohitra ny tanjak’ilay lehilahy izy. Norahonany hovonoina […]
Tranga
Ankadindratombo: jiolahy tratra teo am-pamakiana trano
Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria Alasora (CSP) teny Ankadindratombo, omaly, ny jiolahy raindahiny mpamaky trano. Nahazo loharanom-baovao ny polisy fa misy trangana halatra miharo vaky trano tamin’io fotoana io teo Ankadindratombo akaikin’ny toeram-pivarotana fanafody iray eny By-Pass. Tsy niandry ela ny polisy fa fotoana fohy taorian’izay, tonga teny […]
Anjozorobe : dahalo roa lahy rotiky ny bala
Lavo tao anatin’ny fifanenjehana ny dahalo roa lahy anisan’ny ikoizana amin’ny halatra omby ao anatin’ny distrikan’Anjozorobe, afakomaly. Maty tsy tra-drano ny dahalo roa nandritra ny fifandonan’izy ireo tamin’ny zandary, tao amin’ny kizo Marotsingala, fokontany Ambatonosy, kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrika Anjozorobe, ny sabotsy 22 avrily teo. Ampolony ireo olon-dratsy nifanehatra tamin’ny […]
Vono olona : mpiambina taloha, ahina ho nahavanon-doza
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha momba ilay vono olona mahatsiravina niseho teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny talata teo. Raim-pianakaviana iray 63 taona no maty tamin’ny fomba feno habibiana. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny moto marika Peter 250 cc sy ny findainy. Fantatra kosa amin’izao fa efa “tracé” manodidina an’i Talata […]
Itaosy : tambajotran-jiolahy mpangalatra moto voasambotra
Vehivavy mitaizakely ny iray tamin’ireo efatra mianadahy voasambotry ny mpitandro filaminana mahakasika halatra moto tetsy Itaosy, ny alarobia teo. Nisy naka tao amina tokantrano iray ao Antsahakely ny moto iray, tamin’ny 2 ora sy sasany maraina. Nanao fitarainana ny tompon’ny entana very ka natao ny fikarohana. Niara-niasa tamin’ny olon-tsotra ny […]




