Nirefodrefotra ny basy nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisin’ny Uir sy ny jiolahy tao Antsirabe, omaly. Maty voatifitra nandritra ity fifandonana ity ny jiolahy raindahiny fantatry ny maro amin’ny anarana hoe i Betraina. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana efa fanta-daza sy mampihorohoro ny mponin’Antsirabe Rasolonjatovo Hasina Nantenaina na i Betraina. Nahazo […]
Tranga
Halatra volam-bahoaka : fito mian-dahy naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana, afakomaly, nidoboka am-ponja vonjimaika ireo mpiasa 7 eo anivon’ny Trésorerie Principale Ambalavao. Voasaringotra tamin’ny fahaverezan’ny vola 400 tapitrisa Ar ireto mpiasa ireto. Tsy hita popoka io lelavola io ny marain’ny 17 avrily lasa teo. Tsy vaky anefa ny trano. Tsy nisy nanapitsoka ihany koa ny varavarana. Nisokatra ny […]
Herisetra feno habibiana: notondrahan-drangahy asidra ramatoa vadiny
Nokasain’ny raim-pianakaviana iray hotaperina ny aim-badiny. Notondrahany asidra ilay ramatoa. Mbola nodorany ka may ny ampahany tamin’ny vatany. Voasambotry ny zandary, afakomaly, ny raim-pianakaviana iray. Nanondraka asidra ny vadiny izy. Nisehoan’izany tao amin’ny fokontany Fiadanakely, kaominina Mahitsy. “Adin’ny mpivady toy ny mahazatra no niatombohan’izany”, hoy ny mpanao famotorana. “Nifamaly noho […]
Opération « Tselatra » : dahalo nahatrarana Kalack
Nahitam-bokany sahady ny hetsika « Tselatra » izay ady atao amin’ny tsy fandriampahalemana. Tratran’ ny miaramila avy ao amin’ny fari-piarovana sy filaminana (ZDS) Pangalana ny dahalo raindahiny nampitondra faisana ny mponina ao Andrebakely, fokontany Anjiro, kaominina Tanambao Besakay, afakomaly. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana sy fandorana trano enina tao Faravohitra, ny 23 novambra 2023, ity […]
Jly Sahivelo Delphin : nankahery ireo miaramila mpampandry tany
Mitohy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana ataon’ny Tafika. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika any amin’ireo faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana… Manara-maso ny fizotry ny hetsika fampandriana fahalemana “Tselatra” ataon’ireo miaramila ny lehiben’ny Etamazaoron’ ireo Tafika, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin sy ireo mpiara-miasa aminy. Nanao tomban’ezaka ny […]




