Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny compagnie urbaine de circulation (CUC/CSP4), nandrindra ny fifamoivoizana teny Ampefiloha, omaly, ireo jiolahy roa, tompon’antoka tamina halatra tanaty fiaran’olon-tsotra iray. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny fiara “parking” eo Ampefiloha ity fiara ity no nidiran’izy roa lahy tampoka. Sendra nivoaka ny tompon’ilay fiara ka nanararaotra niditra tao […]
Tranga
Isaky ny alina maty jiro… : naolan-drainy ny zanany vavy moana marenina
Efa tsy olona intsony! Nidoboka am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Miarinarivo, afakomaly, ilay raim-pianakaviana nahavita nanolana an-janany vavy manan-kilema (moana sy marenina)… Tokony homena ny sazy faran’izay mafy! Ny polisy miasa ao amin’ ny kaomisaria Soavinandriana no nahasambotra ity raim-pianakaviana nahavita nanao fihetsika mamoafady tamin-janany vavy ity. Tsy vitan’ izay fa […]
Fahafatesana olona saika hihazo an’i Mayotte… : naiditra am-ponja ny mpanamory sambo sy olona roa hafa
Nidoboka am-ponja, afakomaly, ireo olona telo hafa voarohirohy ho anisan’ny tompon’antoka tamin’ny faharendrehan’ny sambo tany amin’iny faritra Ambilobe iny. Anisan’ireo voarohirohy tamin’izany ny mpivady nampiantrano nanafina sady niray tsikombakomba tamin’ity raharaha ity. Ny 14 avrily 2023 no tratra tao Tsarabia Vohémar ireto mpivady tompon’antoka tamin’ny fitaterana an-tsokosoko ireo olona ho […]
Halatra gisa : vehivavy saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Tsy mifidy intsony! Mirongatra hatrany ny tsy fandriampahalemana tato ho ato, indrindra amin’iny faritr’ Ampangabe sy ny manodidina iny. Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ampangabe, omaly, ny vehivay iray tratra nangalatra gisa. Efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka izy, noho ny hatezeran’ny olona, saingy tonga ara-potoana ny zandary naka azy […]
Analakely : tratra ireo lehilahy efatra nikasa hamono
Tsy nahazaka toaka! Tratran’ny polisy avy ao amin’ny “3ème Compagnie urbaine d’intervention” (CUI) teny Analakely, ny alatsinainy tamin’ny 11 ora sy 45 mn alina ireo lehilahy efatra, nitondra fiara 4×4. Mandrahona hamono hahafaty ireo olona mifanena aminy eny an-dalana ry zalahy ireto, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy. Tamin’io fotoana […]




