Tafatsoaka tampoka teo am-pelatanan’ny dahalo mpaka an-keriny ny lehilahy iray, tao Manerinerina, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, tonga tao amin’ny zandary ao Mahatsinjo ny lehilahy iray, anisan’ireo nalain’ny dahalo an-keriny tany Amboditetina Andranomiely, ny 13 oktobra 2024 teo. Tao anatin’ny fanadihadiana tsotsotra azy no nitantarany tamin’ny […]
Tranga
Ahina ho novonoin’ny mpampiasa azy : lehilahy maty novelesina biriky sy bois rond
Niady tamin’ny fahafatesana nandritra ny tapa-bolana, namoy ny ainy, ny lehilahy iray voatoroka ho nangalatra tao amin’ny mpampiasa azy, tetsy Alakamisy-Anosiala. Nitory ny fianakaviany. Tovolahy 29 taona namoy ny ainy ny alatsinainy 14 oktobra teo, vokatry ny daroka biriky sy bois-rond nahazo azy, tao amin’ny fokontany Tsarahonenana, kaominina Anosiala, distrikan’Ambohidratrimo. […]
Namono mpianaka : dahalo lavon’ny zandary
Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny fokontany Iorimbato, kaominina ambanivohitr’i Beravina, distrikan’i Morafenobe, ny sabotsy teo, ny dahalo raindahiny, tompon’antoka tamin’ny vonoan’olona feno habibiana. Renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zanany vao menavava no maty novonoin’ity malaso ity, ny faran’ny septambra teo. Tamin’ny fotoana nitondrana azy no nitaraina ho narary kibo ity […]
Bazaribe – Toamasina : renim-pianakaviana iray matin’ny hanoanana
Raha tsy matin’ny jiolahy dia matin’ny hanoanana! Izany ny zava-misy iainan’ny mponina ao an-dRenivohitry ny faritra Atsinanana (Toamasina) amin’izao fotoana izao. Renim-pianakaviana iray tokony ho 45 taona, sahirana ara-pivelomana, no maty vokatry ny fianjerana tampoka teo amin’ny arabe tao Bazaribe Ampasimazava Toamasina, omaly. Voalazan’ireo olona mahafantatra azy, tsy misy mpiahy […]
Ankorondrano : kamiao nifandona tamin’ny 4×4
Niteraka fitohanan’ny fifamoivizana ny fifandonana teo amin’ny kamiao sy fiara tsy mataho-dalana an’ny orinasana tambajotram-pifandraisana iray tetsy Ankorondrano, omaly tolakandro. Niditra ny fihodinana (rond-point) mihazo ny lalamby, voafaokan’ilay kamiao teo amin’ny valahany ilay fiara tsy mataho-dalana. Tsy fantatra mazava ny antony nampisy ny fifandonana. Niditra an-tsehatra avy hatrany tamin’ny fandaminana […]