Tra-tehaky ny fadintseranana malagasy ny mpivady, teratany vahiny, saika hanondrana devizy mitentina 17 750 Euros sy 242 000 dolara. Mbola nahavoasoroka fikasana hanondrana volamena milanja 5,8 kilao ihany koa izy ireo. Tany Nosy-Be sy teo Ivato no nitrangan’izany. Tratran’ny mpiasan’ny Fadintseranana malagasy, ny 18 febroary teo, ny teratany vahiny mpivady, […]
Tranga
Tsiroanomandidy : Jiolahy nandroba mpanao Cash point
Nambanan’ny jiolahy miisa efatra tamin’ny fitaovam-piadiana, voatery nanome ny vola rehetra tao an-tsena niampy ny vola vao nalaina tany amin’ ny banky, ny lehiben’ny Zap Fierenena, tao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly alina. Nanararaotra fahatapahan-jiro ireo mpanao ratsy ka niditra tao an-trano tamin’ny 12 ora sy sasany, ny alin’ny […]
Nitsoraka tanaty rano : Lehilahy iray namoy ny ainy
Namoy ny ainy rehefa niezaka namono tena indroa nisesy ny raim-pianakaviana iray teny Ambodimita, boriborintany fahenina, omaly. Efa hitan’ny mponina manodidina naneho fihetsika hafahafa teny an-toerana io lehilahy io. Niezaka namono tena izy saingy nisy nahatsikaritra ka voasakana. “Saika hitsoraka tany ambany kodiaran’ny fiara nandalo izy. Nanavotra azy ny fokonolona”, […]
Ampitatafika : Vehivavy hita faty tsy nisy taova intsony
Nahitana fatim-behivavy iray efa niboridana tanteraka tetsy Ambohitsaratelo, Ampitatafika, omaly maraina. Efa tapaka ny tanany ary tsy tao intsony ny fony sy ny taova hafa tamin’ny vatany. Vehivavy iray, tokony ho 51 taona, hita faty tetsy Ambohitsaratelo, fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, omaly maraina tokony ho tamin’ny 05 ora sy 40 […]
Ankorondrano : Mpitondra moto maty voadonan’ny taxi
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tetsy Ankorondrano, ny takarivan’ny alahady, tamin’ny 5 ora sy fahefany. Niseho nanoloana ny orinasa Henri Fraise ny loza. Lehilahy iray 45 taona, nitondra moto, naratra mafy voadona sy voafaokan’ny fiarakaretsaka. Novonjena haingana tany amin’ny HJRA Ampefiloha izy saingy tsy tana ny ainy. Avy any Ankorondrano, hihazo […]




