Nandrasan’ny jiolahy dimy manao saron-tava sady mitam-piadiana teo an-tokotany ny mpianakavy avy nitety tsena naka vola, tao amin’ny fokontany Avaratsena, kaominina Tsiroanomandidy, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Hidina ny fiara nitondra azy, tsy nisy nanampo na inona na inona ireo mpivarotra tao anatin’ny fiara avy nanangona vola teny an-tsena ireo. […]
Tranga
Tovolahy tsy salama saina: Nolerany antsy inefatra ny anabaviny
Voatsatoka inefatra tamin’ny antsy, tsy tana ny ain’ny vehivavy iray tao Manjakandriana, afakomaly. Nahavanon-doza ny anadahiny. Nentin’ny fokonolona ialana nenina teny anivon’ny hopitaly, namoy ny ainy, ny tovovavy vao erotrerony tao Ankazondandy, distrikan’i Manjakandriana, afakomaly. Nivoa-dra be loatra vokatry ny tsatok’antsy nahazo azy io vehivavy io. Miaraka monina amin’ny reniny […]
Ampefiloha: Lehilahy iray namono tena, voahitsaky ny fiara
Lehilahy iray tokony ho 38 taona namono tena, nitsoraka tao ambany fiara mpitatitr’ olona zotra 009, marika Mercedes, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 6 ora hariva. Niseho tetsy Ampefiloha, akaikin’ny lalamby mihazo an’Andavamamba, ny loza. Voahitsaky ny kodiarana aorian’ilay fiara ny lohany ka vaky, niparitaka tamin’ny arabe ny ra. Niezaka […]
Novonoiny ny vadiny: namono tena ilay rangahy fa tsy maty
Tsy fahazakana ny hisaraka noho ny disadisa. Raim-pianakaviana iray indray no namono nahafaty ny vadiny tany Antanambao Manampontsy, omaly maraina. Nananton-tena tamin’ny tady izy, taorian’izay, saingy tsy maty. Efa voasambotry ny zandary ny tenany. Renim-pianakaviana iray, 17 taona, maty notsindromin’ny vadiny tamin’ny antsy, tany amin’ny fokontany Ampasimena, kaominina ambanivohitra Antanambao […]
Noheverin’ny olona fa dahalo : Lehilahy naratra mafy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Naratra mafy, niharan’ny fitsaram-bahoaka, ny lehilahy iray 35 taona, tany Ampasitapaka, kaominina Anjiajia, disitrikan’Ambatoboeny, afakomaly. Noheverin’ny olona ho dahalo izy ka nifanenjehan’ ny fokonolona novonoina. Vokany, voafira tamin’ny antsy ny lohany, ny tarehiny, ny tanany, ny lamosiny ary ny tratrany. Mponina avy ao Ankazoabo, kaominina Ambesisika, ity niharam-boina ity. Noentin-javatra […]





