Natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Ampanoavamatso-Morarano, kaominina Mahavelona, distrikan’ Ankazobe, ny lehilahy iray, ny alatsinainy 20 avrily teo. Niaraka tamin’ny namany telo lahy izy, ny sabotsy 18 avrily teo, araka ny fanazavan’ny fianakaviany. Samy avy niasa tany amin’ny toeram-pitrandrahana vato izy efatra ireo ka nikasa hamonjy fodiana any amin’ny vady […]
Tranga
Nidona tamin’ny takelaka dokambarotra: Lehilahy iray nitondra moto maty tsy tra-drano tetsy Itaosy
Maty tsy tra-drano, nianjera tamin’ny moto tetsy Anosimasina Itaosy ny alin’ny alatsinainy teo, Ambinitsoarivelo Yvon. Nivoaka ny lalana ny moto noentiny ary nidona mafy tamin’ny takelaka dokambarotra. Potika tanteraka ny lohany sy ny tarehiny. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Anosimasina Itaosy, ny alin’ny alatsinainy 21 avrily 2026 lasa teo […]
Fanafihana mitam-piadiana : Moto iray sy vola 17 tapitrisa Ariary voaroba
Raha halatra sy fanendahana, fandravana, vaky trano arahina fampiasana fitaovam-piadiana no malaza, taorian’ny rivodoza Gezani, efa miverina miakatra indray izao ny lentan’ny asan-jiolahy eto Toamasina. Vola mitetina 17 tapitrisa Ariary haterina amin’ny banky iray eto an-toerana no voaroba raha efa nahazo fotoana tamin’ny tomponandraikitr’ity banky iray ity ilay olona handeha […]
Trano dimy main’ny afo : Fianakaviana miisa 12 tsy manan-kialofana
Nitrangana hain-trano tao Ambalabe, fokontany Andranomainty, disitrikan’i Manakara, omaly, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Trano miisa dimy no voakasiky ny firehetana ary may kila forehitra ny trano telo tamin’ireo niaraka tamin’ny entana tao anatiny. Mahatratra 12 ny isan’ny fianakaviana traboina sy tsy manan-kialofana, vokatr’izany. Kely ny niantombohan’ny afo saingy […]
Ambanja : Mpikatroka Moraingy namoy ny ainy
Namoy ny ainy vokatry ny fijanonan’ny fitempon’ny fo tampoka ny mpikatroka taranja Morengy tao Ambanja, afakomaly tolakandro. Nanatontosa fifaninanana tao amin’ny kianja Monisipaly tao Sambirano Ambanja ny tomponandraikitry ny federasionina Moraingy, tamin’io faran’ny herinandro io. Nifanandrina nandritra izany i Bruano avy any Antsifitra, kaominina Benavony, distrikan’Ambanja sy Julio “Jobilahibe”, avy […]




