Misedra olana goavana eo amin’ny lalàna mifehy azy ireo ny mpanao solonify, raha ny fanambarana nataon’ny fikambanambe ivondronan’ireo mpanao solonify eto Madagasikara (Asproma), omaly, tetsy Ivato. « Somary misy sakantsakana ho anay mpanao asa tanana misehatra amin’ny fanaovana solonify ny lalàna misy », hoy i Barijaona, mpitondra tenin’ny fikambanana. Anisan’izany ny fanakanana […]
Tranga
Fandrobana tao Vohitsara : Olona iray voafonja herintaona an-tranomaizina
Nivoaka ny talata lasa teo ny didy mahakasika ny raharaha fandrobana mpandraharahara tao Vohitsara, ny 3 mey 2026 lasa teo. Lehilahy miisa telo no voampanga tamin’izany. Voaheloka an-tranomaizina, sazy mihatra, Ramilinjaona Guillaume Laurent. Sazy mihantona ny an-dRazafindranjaona Tokiniaina ary nohafahan’ny fitsarana noho ny fisalasalana Ramilison Kevin Bryan. Fanaovana fikambanan-jiolahy sy […]
Mpanampy nitaky 4 tapitrisa: Zaza roa taona natao takalonaina
Vokatry ny angom-baovao marim-pototra sy ny fanadihadiana lalina nataon’ny sampandraharaha eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, tra-tehaka teny By-pass ny vehivavy iray naka an-keriny zaza vao 2 taona monja, ny 8 jona teo. Nametrahan’ny ray aman-drenin’ny zaza fitokisana amin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso ilay zaza, nentin’io vehivavy io nandositra ny zaza vao 2 taona sy […]
Tsaralalàna: Avotra ilay zaza nariana tao an-kabone
Avotra soa aman-tsara, taorian’ny firaisankinan’ireo tsara sitrapo ny zaza vao teraka narian-dreniny, tetsy Tsaralalàna, boriborintany voalohany, ny tolakandron’ny talata 10 jona teo. Tsikaritry ny mpandalo ho misy trangan-javatra hafahafa tao anatin’ilay daba fanariana taratasy maloto, tao anatin’ny toeram-pivoahana iombonana iray. Zazakely vao teraka sy mbola nihoson-dra io hita nisy nanary […]
Tsena voatafika tetsy Itaosy: Valo lahy misaron-tava, nandratra olona roa
Naratra voatifitra sy voadaroka ny lehilahy roa teny Itaosy, afakomaly alina. Valo lahy misaron-tava nanafika tsenakely. Voaroba ny vola 1 000 000 Ar sy finday dimy. Notafihan’ny jiolahy miisa valo, misaron-tava sy mirongo fitaovam-piadiana, ny tsena iray etsy Antsahakely, fokontany Marobiby, kaominina Ambanivohitra Fiombonana, afakomaly alina tokony ho tamin’ny 12 […]





