Nihoron-koditra ny mponin’i Tanjombato, omaly. Nisy nanary teny Ambohimanatrika ny vatana mangatsiakan’ny zazakely iray. Nihoson-dra sy tsy nisy lohany ny razana. Tsy nisy loha intsony sady mbola niosin-dra ny tendan’ny zaza hita faty teny Ampamoloana, fokontany Ambohimanatrika, kaominina Tanjombato, omaly maraina. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa teny an-dalana ny mpianatra hamonjy sekoly […]
Tranga
Niady tamin’ny olon-tiany; Vehivavy mpianatry ny Oniversite nisotro asidra iray litatra
Nitelina asidra efa ho iray litatra, nifamonjen’ny fokonolona sy ny mpitsabo ny vehivavy iray tao Andranomadio parisela 11/44, Toamasina, ny sabotsy 6 jona tamin’ny 9 ora maraina. Nahare olona nitaraina sy nitomany tao amin’ny tokantrano iray ny mpiray vodirindrina ka nijery ny zava-nisy. Vehivavy mbola mpianatra eny anivon’ny Oniversite io nanandrana […]
Ampasapito : Jiolahy dimy voasambotra
Ravan’ny mpitandro filaminana ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny Ampasapito, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Dimy lahy nitam-piadiana nikoninkonina hanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny faritra Gamo. Naharay loharanom-baovao mari-pototra ny polisy eo anivon’ny SCUSI (Sakamainty) ka niroso tamin’ny fitsikilovana teny an-toerana. Sarona tokoa ireo jiolahy, ny alin’io sabosy io […]
Andranomahery-Ankorondrano : Tovolahy namoy ny ainy, nolerana zava-maranitra
Namoy ny ainy rehefa nentin’ny fianakaviany ny tovolahy iray nolerana zava-maranitra, tetsy Andranomahery, fokontany Ankorondrano Andrefana, boriborintany fahatelo, ny alin’ny sabotsy 6 jona teo. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny kibony sy teo akaikin’ny faritry feny ny tovolahy iray vao erotrerony tao Andranomahery, afakomaly alina. «Hamonjy fodiana izahay telo mirahalahy. Niraikitra tampoka […]
Voasambotra ny nahavanon-doza : Ankizivavy 13 taona maty naolan’ny rainy
Ankizivavy 13 taona indray no maty ny talata teo noho ny fanolanana nataon’ny dadany niteraka azy, tetsy Ivandry. Raha ny fanazavana voaray, nanomboka nitaraina ho narary io ankizy io ny alarobia 27 mey lasa teo. Anisan’ny nitarainany mafy, tamin’izany, ny tao amin’ny faritry ny mahavehivavy azy, raha ny fanazavan’ny mpiara-monina […]





