Tra-doza ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalam-baovao mampitohy an’i Soamandrakizay sy Tsarasaotra, omaly. Latsaka tany anaty rano ilay fiara tsy mataho-dalana rehefa niezaka niala fiara iray nanapaka tampoka ny mpamily azy. Nirifatra sady nanapaka tampoka teo alohan’io fiara 4×4 io ilay fiara iray hafa, araka ny loharanom-baovao avy […]
Tranga
Sakoroka teo Behoririka: Nitokona ny mpivarotra, mpanao gazety roa naratra
Nitokona ny mpivarotra teo Behoririka, omaly. Mitsipaka ny fandaminana izy ireo. Nisy mpanao gazety mianadahy, niharan’ny herisetra nandritra ny hetsika. Niharan’ny herisetra nataon’ireo mpivarotra nanao fitokonana teny Behoririka, naratra ny mpanao gazety mianadahy, omaly maraina. Nanatanteraka ny asany teny an-kianja amin’ny maha mpanangom-baovao azy ireo mpiasa amina haino vaky jery […]
Voasambotra ny nahavonon-doza : Vehivavy sembana 64 taona lasibatry ny fanolanana
Voasambotry ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Foulpointe, tamin’ity herinandro ity, ny lehilahy iray 28 taona. Tompon’antoka tamin’ny fanolanana vehivavy lehibe iray manodidina ny 64 taona, tany Foulpointe. Vehivavy manan-kilema ara-batana io lasibatra io. Raha tsiahivina, niala tao amin’ny trano fonenany ary nikasa handeha hamangy fianakaviana ity ramatoa lehibe ity, […]
Manakambahiny : Mpivarotra rôrô naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana Anosy, notanana vonjimaika eny am-ponja ny ramatoa iray mpivarotra heroïne teny Manakambahiny, afakomaly. Manoloana ny firongatry ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny, naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena fa misy olona mivarotra “rôrô” teny amin’io boriboritany faharoa io. Sarona teo am-pivarotana io ramatoa io ary […]
Nandroba mpanagom-bokatra : Efa-dahy voaheloka higadra 10 taona
Niakatra fitsarana, omaly, ireo jiolahy miisa efatra nanafika mpamongady tany Ambalanirina. Nomelohin’ny fitsarana higadra an-tranomaizina 10 taona izy ireo. Niampy lamandy 7 000 000 Ar izany. Sazy henjana ! 10 taona any an-tranomaizina miampy fandoavana lamandy an-tapitrisany no azon’ireo efatra mirahalahy voasaringotra tamin’ny fanafihana mpanangom-bokatra, tao Ankadilalapotsy, fokontany Ambatolampy, kaominina Ambalanirana, […]




