Nasosan’ny moto tampoka. Nikarapoka tamin’ny arabe ny raim-pianakaviana iray. Maty tsy tra-drano. Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina indray teny amin’ny lalan’i By-pass, omaly tamin’ ny 11 ora. Raim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona namoy ny ainy. Nitondra moto, avy any amin’ny tobin-dasantsy izy. Nikasa hihazo ny lalan’ny Domaine. Nandalo tsy lavitra teo, […]
Tranga
Telo maty, maro naratra halina: Fiara mpanatitra mpiasa tra-doza!
Olona telo namoy ny ainy, mpandeha hafa naratra mafy ka ahina mafy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana tetsy Antanetibe Ilafy, omaly alina. Mpitatitra mpiasa amina Call center avy eny Andraharo ilay Mazda tra-doza. Mitondra ireo ankizy mianavaratra mihazo an’Ambohimanarina, Ivandry, Analamahitsy, hatrany Ankadikely sy ny manodidina izy io. Raha ny […]
Halatra taxi-be 194 : ny mpamily no atidoha nikotrika izany
Mpamilin’ilay taxi-be 194 teo aloha ihany no tompon’antoka tamin’ny fangalarana ny fiara tao Ankadikely Ilafy, ny 6 novambra teo. Napetraky ny tompony tao amin’ny toerana fametrahana azy, tao Antanety, io fiara io. Tsy hita popoka anefa ilay taxi-be. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandarimaria ny lasibatra. Nokarohina ny nahavanon-doza. Tratra tao […]
Antaniavo-Antohomadinika : roa lahy mpamono olona nogadraina eny Antanimora
Notanana vonjimaika eny Antanimora ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny fanafihana miharo vono olona, omaly. Nasesin’izy roa lahy nanaovana ny asa ratsiny ireo tanàna manodidina. Naiditra am-ponja eny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa malaza ratsy amin’ny fanafihana arahina vonoan’olona. Voasambotry ny polisy miasa ao […]
Nikasa hihazo an’i Mayotte : mpiondrana 25 nampodiana
Malagasy dimy voatana vonjimaika any am-ponja ao Mayotte ary 25 niakatra fitsarana tao Nosy Be, omaly, vokatry ny fiondranana antsokosoko sy tsy nahazoana alalana. Niala tao Ambalamanga, kaominina Nosy Be izy 25 mianadahy. Mponina avy ao Ambilobe, Ambanja, Sambava sy hatrany Antalaha izy ireo. Niondrana an-tsambokely izy ireo ka niala […]