Voapoizina tamin’ny sakafo ny olona miisa 32 ka manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly, hatramin’izao. Namonjy fetim-pianakaviana teny Ambohijanaka izy ireo ny alahady teo. Tsy mbola fantatra ny sakafo nahatonga ny loza. Arahi-maso akaiky eny anivon’ny hopitaly ny fahasalaman’ny olona miisa 32 mianadahy mianaka izay tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo teny amin’ny fokontany […]
Tranga
Alan-drongony 2 ha tratra : Olona telo voasambotra
Voasambotry ny mpitandro filaminana ny olona telo mpiray tsikombakomba amin’ ny fambolena, famarotana ary fanampariahana rongony mahery vaika « Skunk », tao amin’ ny kaominina Fihaonana, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny 11 avrily teo. Olona iray nahatrarana Skunk milanja 1,30kg tao Andranomadio, ny 9 avrily. Nanaovan’ny mpitandro filaminana fanadihadiana io lehilahy io. Nitoroka ny […]
Roa vavy lasibatra : Mpitondra Tuc-tuc nanendaka mpandeha
Vehivavy roa hamonjy fodiana niharan’ny fanendahana nataona mpitondra Tuc-tuc tao Ambohijafy, kaominina Toamasina, omaly. Avy namonjy lanonana, naka io fitaovam-pitanterana io teo Ambohijafy ireo roa vavy ireo tamin’ny 2 ora maraina. Niakatra tamina Tuc-tuc izy roa kanjo nisy roa lahy hafa nanakana izay nilaza fa mitovy lalana amin’izy ireo. Nentin’ilay […]
Hetsiky ny Gen Z : Tanora telo voatazona eny amin’ny heloka bevava
Miisa telo ireo tanora avy amin’ny Gen Z, voasambotra sy miatrika famotorana eny amin’ny sampan-draharahara miady amin’ny heloka bevava. Enina ireo tsy nahazahoam-baovao hatramin’izao. Taorian’ny fidinana andalam-be nataon’ny tanora avy amin’ny Gen Z, ny zoma sy sabotsy lasa teo tetsy Ambohijatovo sy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey. Miisa telo ny […]
Fahasalamam-bahoaka : Afaka misitraka vaksinin’ny Mpox ny olon-drehetra
Manomboka ny fizarana maimaimpoana ny vaksiny hiarovana amin’ny Mpox. Afaka misitraka izany avokoa ny vahoaka malagasy rehetra. Malalaka, atao an-tsitrapo ny fanaovana izany. Nosantarina tany amin’ny hopitalibe CHRR Farafangana ny fanaovana vaksiny faobe maimaimpoana ho an’ny daholobe, hiadiana amin’ny aretina mpox. Ezaka lehibe ataon’ny fanjakana ho fisorohana sy fanakanana ny […]




