Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ilay zandary nitifitra olona tany amin’ny kaominina ambanivohitra Bekobay, distrikan’i Mahajanga II, ny alin’ny zoma 5 jona 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tany Mahajanga. Namoizan’aina, lehilahy 18 taona, sy naharatrana lehilahy roa hafa izany. Naneho fisaorana ny avy eo anivon’ny Fitsarana […]
Tranga
Nisoloky tamin’ny Cash point: Vehivavy iray nalefa eny Antanimora
Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, ilay vehivavy nisoloky vola roa tapitrisa Ariary tamin’ny Cash point iray tetsy Ambohipo, ny herinandro lasa teo, rehefa avy natolotra ny fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana tetsy Anosy. Tra-tehaky ny polisy teo am-pisolokiana vola tamina Cash point iray teny Ambohipo izy ny alarobia 03 jona […]
Ambohibao – Antehiroka : fatin-dehilahy hita teo am-baravaram-pasana
Hita faty teo am-baravaram-pasana ny lehilahy iray tsy manan-kialofana, omaly, teny Morondava Antehiroka. Notrobarana tamin’ny zava-maranitra ny tendany sy ny lohany. Nahitana fatin-dehilahy iray, 45 taona, teo am-bavahadim-pasana iray, tetsy amin’ny toerana antsoina hoe Ambohimiadana, fokontany Morondava, kaominina ambanivohitra Antehiroka, distrikan’Ambohidratrimo, omaly maraina tamin’ny 9 ora tany ho any. Mponina […]
Bemasoandro Atsimondrano: Mpitondra moto maty tsy tra-drano
Tsy nanao aroloha, nandeha mafy, nidona tamin’ny sarety notarihin’omby, ny lehilahy iray nitondra kodiaran-droa teny Ankadilalana, kaominina Bemasoandro, distrikan’Antananarivo Atsimondrano, omaly maraina tamin’ ny 4 ora sy sasany. Nizotra avy amin’ny lalan’Ampasika io mpitondra moto marika Kymco G6 io, araka ny fanazavana avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Nifanoha-dalana taminy kosa ny sarety […]
Lakana rendrika an-dranomasina : Olona roa maty, iray mbola karohina
Nitombo ho roa ny olona namoy ny ainy nandritra ny faharendrehan’ny lakana iray tany Maroantsetra, ny alin’ny sabotsy lasa teo. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakan’ny lehilahy iray, izay tra-doza tamin’izany. Cameraman nikasa haka sary mandritra ny hetsika Morengy tany Maraontsetra izy, saingy izao namoy ny ainy izao. Tovolahy iray […]





