Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny lahiantitra iray teny Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, afakomaly. Voalaza fa nanolan-jazavavy efa-taona izy. Nodarodarohan’ny fokonolona, vaky loha, voatery notsaboina ny lehilahy iray efa misotro ronono teny Ambany Atsimo, fokontany Antanandrano, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’ Avaradrano, afakomaly. Voalaza fa nanolana zazavavikely vao efa-taona monja izy. Maika nampiakatra […]
Tranga
Fanafihana mitam-piadiana: Tovolahy roa tia jerijery voatifitry ny jiolahy
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny fokontany Andafiatsimo Ambatolampy, distrikan’ Antsirabe, ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany. Notafihin’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray. Nisaron-tava avokoa ireto olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ireo dahalo. Nanambana basy ny […]
Manakambahiny: Tokantrano iray may, naratra ireo mpivady
Nitrangana haintrano indray tetsy Manakambahiny ny zoma alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any. Trano iray, nahitana rihana roa, no may kilan’ny afo tanteraka. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, adin’ ny mpivady tamin’ireo mpanofa trano tany amin’ny rihana ambany no niatombohan’ny afo. Nifamono izy mivady […]
Mpanendaka etsy Anosibe: Jiolahy raindahiny lavon’ny polisy
Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy fanaovana vaky trano, maty voatifitry ny polisy tetsy Anosibe, omaly maraina. Avy nanendaka ramatoa haka entana maraina izy no nifanehatra tamin’ny polisy. Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, omaly maraina tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany tany ho any. Lavon’ny balan’ny polisy […]
Tranombarotra iray voatafika : Lasan’ireo jiolahy ny vola 150 tapitrisa Ariary
Notafihin’ny jiolahy indray ny trano fivarotana piesy sy kojakojana bisikileta iray tany Mangarivotra Avaratra, parcelle 11/11, Toamasina I, omaly maraina tokony tamin’ny 6 ora sy sasany. Jiolahy miisa telo, mirongo basy no niditra an-keriny tao an-tsena. Nandeha moto ary tsy nisy nisaron-tava izy ireo tamin’ny fotoana nanaovan’izy ireo ny asa […]




