Tonga nametraka taratasy fitoriana tao amin’ny tobim-paritra Marerano ny sefo fokontany ao Marerano, ny faran’ny volana oktobra 2024 teo manenjika ben’ny Tanàna Marerano. Voalaza ao anatin’ny fitoriana fa nisandoka ny asan’ ny sefo fokontany ilay olom-boafidy ka nangalatra ny soniany sy ny fitombokasen’ny fokontany izay nanamboarana taratasy fanamarinam-ponenana hosoka. Taratasy […]
Tranga
Mahabo: Basy Kalach iray azon’ny zandary
Tratran’ny zandary tao amina raim-pianakaviana iray tao Andapanomby kaominina ambanivohitr’Ampanihy distrikan’i Mahabo, ny 6 novambra 2024 teo ny basy Kalachnikov iray. Araka ny tatitra nampitain’ny zandary, basy nampiasain’ireo dahalo nandritra ny fifandonana tamin’ny zandary tao amin’ny Faritra Menabe ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny […]
Maty tao an-tranon’ny sakaizany: lehilahy nihantona tamin’ny tadim-patalohany
Lehilahy iray no ahina ho nananton-tena, tao an-tranon’ny sakaizany teny Imerintsiatosika. Niezaka nanavotra azy ilay vehivavy sy ny mpiara-monina saingy tsy tana ny ainy. Tadim-patalohany ihany no nahafaty ny lehilahy iray. Nahina ho namono tena izy. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarivo, kaominina Imeritsiatosika, distrikan’ Arivonimamo no nitrangan’ izany afakomaly, tokony ho […]
Poa-basy tao Ampitatafika : mpambongady voaroba, lasa ny volabe
Norobain’ny jiolahy mitam-piadiana ny volabe tao amina “grossiste” iray, ao Ambodifiakarana Ampitatafika, omaly tamin’ny 7 ora hariva. Nilanja fitaovam-piadiana, namoaka ary nanambana izany ny mpivarotra tao amin’io tsena io ireo olon-dratsy. Nanapoaka basy, tsy nisy nahahetsika intsony ireo olona teo amin’ny manodidina. Mihoatra ny telo ireo nanao ny fanafihana, araka […]
Nanolana ankizivavy 15 taona: Sivy lahy naiditra am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja, omaly, ireo jiolahy sivy voarohirohy ho tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 15 taona, tao Amparafaravola. Nanao tohivakana ny fisamborana ireo jiolahy ny 21 sy 22 oktobra 2024 teo. Lasibatry ny asa ratsin’ireo jiolahy ny ankizivavy 15 taona ny alin’ny 15 oktobra 2024. Avy nanatrika raharaham-pianakaviana tao amin’ny fokontany […]